airtel

Politique

18-janv-2023

Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Hivoaka amin’ny fahanginany ny zoma izao

Sample post image

Niparitaka nanomboka omaly ny fampahafantarana fa hiteny sy haneho hevitra ao amin’ny fandaharana “Ady hevitra”

18-janv-2023

an’ny haino aman-jerim-panjakana TVM manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny Praiminisitra Ntsay Christian ny zoma 20 janoary 2023 izao amin’ny 8ora alina. Fandaharana voalaza fa handeha ihany koa amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra tsy miankina maro, raha ny seraseran’ny Minisitry ny serasera. Inona no hambaran’ny Praiminisitra manoloana ny zava-misy ankehitriny? Tsara ny mampahatsiahy, fa tsy dia nahenoan-dresaka firy ny tenany taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana teny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza ny 07 desambra 2022, ary nangatsiatsiaka ny fihaonan’ny roa tonta taorian’iny. Nofoanan’ny mpanao lalàna ihany koa ny fihaonana tokony hifanatrehany sy nametrahany fanontaniana tamin’ny governemanta tao anatin’ny fivoriana ara-potoana farany teo. Nalaza ihany koa ny resaka fikitihana na fanovana governemanta mety hatao ato ho ato. Toa miovaova hatrany ny sary sy ny fanehoan-kevitra politika eo anatrehan’io. Nisy depiote nitsipaka ny fitsipaham-pitokisana nilaza indray fa minisitra 15 farafahakeliny no tokony hoesorina, raha mbola te ho marin-toerana ny Filoha. Misy depiote avy amin’ny Fitondrana nilaza fa manaiky ny hisian’ny governemantan’ny marimaritra iraisana. Vao omaly indray, ohatra, nisy ny depiote nilaza fa misy minisitra manilikilika TGV ka tokony hoesorina,… Asa hanao ahoana ny resaka fikitihana governemanta izay nalaza indray fa aorian’ny fanombohana ny taom-pambolen-kazo tokony hatao rahampitso 19 janoary saingy nofoanana aloha noho ny toetr’andro. Maro ireo raharaha nafampana tato ho ato, fa eo ihany koa ny fiainam-bahoaka toy ny sosialy sy ny toekarena, ka andrasana izay hambaran’ity Lehiben’ny governemanta ity. Efa fomba fiasan’ny Praiminisitra Ntsay Christian hatramin’izay ny toa mangina sy tsy dia hita amin’ny toe-draharaha mafana, saingy io fa hiteny izy izany, ary zony sy adidiny rahateo io. Tsy tongatonga ho azy anefa ny hoe: hivoaka tamin’ny fahanginany ny tenany ka andrasana izay tena hambarany. Tsara fotsiny ny manamarika, fa isan’ireo Praiminisitra naharitra indrindra izy, efa tany amin’ny taona 2018 no teo, nohozongozonina matetika eny fa misy olona sasany ao anatin’io governemanta amin’ny endriny ankehitriny io aza misy voatonontonona fa niketrika ny fanonganana azy mba hahazoana io toerany io. Mafy ary matanjaka anefa ity Praiminisitra ity matoa mbola mipetraka amin’ny toerany hatramin’izao, ary tombanana fa rehefa tsy voahaisotra tamin’ilay fitsipaham-pitokisana nitsefotra teo dia hitondra ny baolina hatrany amin’ny fahavitan’ny fifidianana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap