airtel

Politique

25-janv-2023

Politique

Praiminisitra Ntsay Christian “Izy ihany no mamatotra ny tenany”

Sample post image

Saika isan-taona dia misy rivodoza, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

25-janv-2023

Tokony iomanana foana izany, hoy izy. Ny main-tany, orana, fivoahan-drano, fako, kere… samy efa ao anatin’ny tokony iomanana izany fa ilay fialana andraikitra toy ny ataon’ny praiminisitra ny amin’ilay hoe manana 600 miliara Ariary ilay fanjakana avy amin’ny “Fonds routier” na tetibola momba ny lalana dia aiza ary? Izy ihany no mamatotra ny tenany. Tsy alohanao ny volan’ny mpikojakoja lalana. Fantatrao ny lalana fa avokavoka, lalan-dra mampifandray ilay firenena. Mampifandray ny vahoaka amin’ny fifanakalozana entana, varotra, vola. Ankoatran’ny tsy fikojakojana, ny tsy fandoavana ny volan’ny orinasa sy ny mpandraharaha dia mandainga ilay praiminisitra efa tsy ankatoavina na “légitime” intsony. Na inona sakana nataon’ny filoham-pirenena ho fampitsaharana ireny fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” ireny dia aminay efa tsy praiminisitra intsony ianao andriamatoa Ntsay Christian. Efa tsy minisitra intsony ireo rehetra ireo. Mifikitra mafy amin’ilay toerana ianao nefa raha oharina amin’ny baolina kitra ilay izy dia efa nahazo karatra mena ianao fa tsy mety mivoaka ny kianja. Ny ary ambonimbony ary mbola miteny ny mpitsara hoe ampidiro indray iny nefa ianao adisoana goavana. Efa hita fa tsy misy vola ilay fanjakana. Tsy ny nahasoa no natao fa ny nahafinaritra dia lany ny paiso an-kady. Efa tsy nisy tsy vaky vava. Isany ny FFKM. Isan’ny koa ny tenin’ny masoivoho frantsay hoe mila fanomanana tsara ny fifidianana. Tsy mijabaka izahay. Voahaja marina ve ilay fitsipika demokratika? Ny mangarahara anaty fifidianana? Tsia avy hatrany ny valiny satria ny fanomanana aotra. Diso tanteraka ny tombana. Efa nitarina tamin’ity volana ity hoe 13.500.000 isa no tanjona. Tsy ampy herinandro sisa nefa mbola tsy ampy 9.000.000 izao no voaisa ao. Tsy mahay ilay mpanao tombana, CENI, tsy mahafehy ny asany ilay mpitondra fanjakana. Lainga, fitaka, tsy fahaiza-mitantana no eto. Efa manomboka mandray andraikitra sy mijoro amin’ny fahamarinana sy ara-drariny izao ny fitsarana. Hita teto amin’ny boriboritany fahadimy izany. Tsy misy maniry korontana eto fa ireto mpitondra mamitaka sy mandainga ireto no ho fototry ny olana raha hoavy ny olana eto amin’ity firenena ity. Avy amin’ny mpitondra no antony raha misy ny korontana eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap