Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena,… Teo ihany koa ireo olom-boatendry sy olom-boafidy sasany. Tonga nitondra sakafo ho an'ireo traboina sy fanampiana hanarenana ny fiainan'ireo hiverina hamonjy ny toeram-ponenany avy, raha ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora. Naneho fiaraha-miory amin’ny vahoaka traboina avy amin’ny 4 dia Atsimo Andrefana, Ihorombe, Menabe, Androy ny Praiminisitra. Nampahery ny vahoaka Malagasy iray manontolo, ary naneho fa tonga hijery ny fomba ahafahana manampy haingana ny vahoaka. “Betsaka ny ezaka efa natao, fa mbola mila fanampiana sy fanatsarana ny ivon-toerana fandraisana traboina hafa”, hoy io Lehiben’ny governemanta io. Hita tany an-toerana fahasimban'ny sekolim-panjakana ao Antaninarenina ka nanome toromarika ny FID ny Praiminisitra handray an-tanana ny fanamboarana ny sekoly sy hitady vahaolana avy hatrany momba ireo faritra tondra-drano. Isan’ny notsidihiny ny fokontany Kiembe Ambany ny Praiminisitra ary nijery ny fepetra rehetra hanarenana ny fiainan’ireo mponina any an-toerana, hoy ny serasera. Tsara ny manamarika, fa nanolotra fanampiana maro tao Toliara Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny talata teo, ka mba mety sady mitondra anjara biriky no mamafa izany ihany koa ny Fitondram-panjakana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby