airtel

Politique

24-nov-2021

Politique

Prof Ralison Roger “Aza mafy loha, andao hiresaka an-databatra boribory”

Sample post image

Efa soso-kevitra nomeko foana ny hoe tokony izao no hitondrana aingana ny fanarenana ny toekarena, hoy ny mpahaitoekarena, Pr Ralison Roger,

24-nov-2021

 saingy ohatrany tsy nisy nihaino moa ilay izy dia aleon’ny tena aloha mangina mandra-pahatongavan-tsain’ny mpitondra. Efa 3 taona izao no nitondran’ny mpitondra, hoy izy, ka heveriko fa tokony efa ho hainy ny tokony ataony, ny mety sy ny tsy mety. Ireo mpanasoaso ny filoham-pirenena ireo ve tena tia azy sa mametraka fandrika ho azy? Ireo dia milaza ny tsikera atao amin’ny fitondrana ho fanendrikendrehana sy lainga foana ary manatavitavy kokoa ny resaka rehefa misy fanasoasoana. Safidin’ny mpitondra io. Rehefa mitondra firenena tsy maintsy mahatanty tsikera ary manaiky ny tsikera manatsara zavatra. Efa betsaka izao ny miteny hoe atahorana ny fipoahana ara-tsosialy ka tokony hampiheritreritra ny fitondrana. Vahaolana dia hoe andao hiresaka an-databatra boribory miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny ao amin’ny fitondrana, ny hery afovoany, ny mpanohitra. Raha mbola hitohy amin’izao isika dia manahy fipoahana sosialy aho satria niainana tamin’ny andron’ny Herivelona Rasalama tamin’ny taona 1991 izany. Tsy azo anaovana hamafisan-doha io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap