airtel

Politique

02-févr-2024

Programa ankampoben’ny Fanjakana

Ny fampanantenana mitovana, ny firenena milentika…

Sample post image

Natolotry ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian

02-févr-2024

teny amin’ny Antenimierampirenena ny andron’ny omaly 01 febroary 2024 ny fanolorana ny fandaharan’asa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE, hotanterahana ao anatin’ny 5 taona manaraka. Nizara teboka maromaro io, fanatsarana ny famoronan’asa, ady amin’ny kolikoly, fampiroboroboana ny indostria, famokarana ato anatiny ny zavatra ilain’ny Malagasy mba tsy handany vola vahiny. Maro ny fanintsiana ara-drafitra nambara fa hatao hanatsarana ny fitantanana. Na izany aza, ny tsikaritra dia mbola miverina hatrany aloha ny fitanisana ireo zavatra nampanantenaina an-taonany maro, ka nilazana fa tohizana ny efa natomboka sy mandeha, ary tovanana ireo tetikasa vaovao. Naverina notanisaina ny teleferika, noresahana hatrany ny Tanamasoandro izay rehefa zohiana dia tsy araka ny nampanantenaina hatrany am-boalohany sy ny makety noho ny mety tsy fisiana mpamatsy vola. Noresahana ihany koa ny Train urbain sy fanarenana ny zotran-dalam-by FCE, fanavaozana ireo tobim-piantsonana,... Ho an’ny fitaterana an’habakabaka dia ny fanarenana ny Madagascar Airlines miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, raha ny nambara. Reharehan’ny Malagasy ny Air Madagascar saingy novonoin’ny Fanjakana volombosary tanteraka noho ny tsy fahaiza-mitantana, ka novaina anarana kanefa vao mainka zava-doza fa bokan-trosa tsy toko tsy forohana, tsy manana fiaramanidina azy mahaleotena,… Tohizana sy tsy maintsy vitaina ny « autoroute » Antananarivo Toamasina ka hozaraina roa dia Antananarivo-Anjozorobe izay nambara efa manomboka, ary ny tapany faharoa Toamasina-Anjozorobe izay nambara fa hanomboka afaka 8 na 10 volana eo. Efa tany amin’ny desambra 2022 no nanaovana sehoseho nipoapoaka fa hovitaina hatramin’ny faran’ny taona 2023 ny 80km dia aiza izany izao ? Efa nanokanana 300 miliara ary voalaza fa efa navoaka io fa aiza izay zava-bita taminy ? Niverenana notanisaina indray ny « Fly over » Maki sy Anosizato sy ny làlana mampifandray an’ireo amin’ny Tanamasoandro, izay tsy vao izao ihany koa no nitanisana azy. Nolazaina fa hatao vaindohan-draharaha ny fanarenana ireo « réseaux primaires » dia ny RN2, RN7,… ka 1560km no hapetraka ny fikojakojana maharitra aorian’ny fanarenana. Taiza izany no tsy natao hatrizay fa nandrasana ho tapitra potika ka hisy ve ny fahagagana ? Hovitaina ny RN6 Ambanja-Antsiranana ; Ambondromamy-Ambaja ; hovitaina tanteraka ny fanarenana ny RN13 Betroka-Taolagnaro ary Ihosy-Ambovombe izay nambarafa efa natomboka ; hovitaina na hatomboka ao anatin’ny 4 volana ny RNT12A makany Masihanaka ; RNT14 Ifanadiana-Ikongo ; Atomboka ao anatin’ny 8-10 ny fanarenana ny làlana Sonierana Ivongo ho vita hatramin’ny martsa 2025 ; fanarenana ny RN3A Moramanga-Anosibe An’Ala izay efa nanaovana sehoseho tamin’ny fotoanan’ny rivodoza tany aloha; RN1Bis Tsiroanomandidy-Maintirano,... Betsaka ny fitanisana an’izao sy izao izay tsy vao sambany ny ankamaroany ka hisy ve ny fahagagana ?
MIHA SAHIRANA SY MILENTIKA HATRANY NY FIRENENA
Tena misy sy ampy ve ny hoenti-manana sa sora-bola ny ankamaroan’ny tetibolam-panjakana 14 766 699 982 000Ar na 16 766 7000 miliara Ar anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 fa mbola miankina amin’ny fitangirihana vola any amin’ny mpiara-miombon’antoka ? Raha tena nisy ve ny hoenti-manana ary nahatoky ny mpiara-miombon’antoka dia hikatso sy hihisatra ve ny programa maro ? Hiakatra 4,5% ny harin-karena faobe hoan'i Madagasikara ny taona 2024 raha ny vinavina, hiompana any amin'ny sosialy, toekarena, fitsinjaram-pahefana ny tetibolam-panjakana. Manodidina an’io foana ny famaritana atao, fa ny sondrobidim-pianana etsy andaniny tsy voafehy, an-taratasy hoe ezahina tsy hihoatra ny 7,7% fa ny iainan’ny sarambabem-bahoaka azy tena mihoatra lavitra. Raha tena nisy ve ny fahaiza-manao tsy efa nampiharina tao anatin’ny 5 taona voalohany ? Ny toekarena nitotongana hatrany, ny olona mahantra nitombo 7% teo tao anatin’ny 5 taona ka moa tsy taratry ny tsy fahombiazana. Samy miandry ny vokatra izany ny rehetra fa hatreto mahakely finoana raha tarafina amin’ny dimy taona voalohany ary tsy vao izao no nitanisana fampanantenana!
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap