airtel

Politique

26-janv-2021

Politique

Programa sy velirano Saro-piterahana indray ilay PEM

Sample post image

Saro-piterahana indray ny PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar),

26-janv-2021

 

 

 

izay saika hatolotra sy hampahafantarina ny 19 janoary lasa teo, saingy nifanitsaka tamin’ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo 2021 natao tany Taolagnaro. Hatry ny omaly 25 janoary 2021, dia tsy mbola voafaritra mazava ny daty hamoahana azy amin’ny fomba ofisialy, fa dia hoe mbola hisy fifampidinihana amin’ny mpamatsy vola raha ny nambaran’ny Tale Kabinetran’ny Filoham-pirenena Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ny 16 janoary lasa teo. Sahirana tanteraka ny Fanjakana Rajoelina, ary mbola ho ady mafy ny fandresen-dahatra ahafahana mahazo famatsiam-bola 8 miliara dolara ho an’ny làlana sy ny làlam-be migodana na “autoroute” fotsiny, izay avo 10 heny eo amin'ny fanampiana ara-bola azo tamin'ny krizin'ny covid-19. Tsy maniry velively ny hisian’ny fitsivalanana na tsy fahombiazan’ny Fitondrana ankehitriny amin’ny fifandresen-dahatra ara-diplaomatika, fa sarotra ho an’ny Fanjakana amin’izao fotoana izao no ahita valiny mahafa-po sy fitokisana feno avy amin’ny mpamatsy vola. Mitombo ny ahiahin’ny mpiara-miombon’antoka noho ny antony maro: kolikoly mahazo vahana, fahalovana, ny tsy fisian’ny demokrasia, trafikana volamena…Mikatso izany aloha.

Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap