tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Propagandy ankolaka Hizarazara zavatra hanao politika vonjitavanandro ?

Tsy finiavana hitsikera na hanakiana, fa tahaka ilay fomba firesaka sy fiteny hoe: “lasa ny alika vao manangom-bato” hatrany ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina.

31-janv-2023

Sample post image

Tsy misy sori-dàlana mazava fa arakaraka ny zava-miseho no itondrana ny firenena. Tsy nisy fijerena ny sosialim-bahoaka firy hatramin’izay, kanefa ny toekarena ihany koa tsy hita izay vokatra, tsy misy zavatra tena voafehy: vidim-piainana, sandam-bola, famoronan’asa,... Akaiky ny fifidianana dia mijery hoe: inona no fomba sy hevitra hahafahana maka indray ny fon’ny mpifidy. Tombanana ho efa karazana fanombohana ny “précampagne” na fihetsiketsehana mialohan’ny fifidianana ny fanambarana ofisialin’ny Filoham-pirenena tany Ilaka Est ny sabotsy teo fa manomboka izao dia hidina ifotony hijery ny sosialim-bahoaka, fa ajanona ny fotodrafitrasa. Te hiteny sy hilaza fa ampandeferina ny zava-drehetra fa ny vahoaka no atao laharam-pahamehana. Asa izay endrika isehoan’io fa tombanana avy hatrany fa hohamafisina ny kizarazara sy ny kisehoseho, hanehoana fa tena Fanjakana mitsinjo sy mijery ny fahasahiranan’ny Malagasy. Handeha ny endrika propagandy ankolaka mialohan’ny fotoana ho vita, izay mazava ho azy fa ny volam-panjakana no hampiasaina amin’izany. Tsy misy maharatsy ny mizara sy manome zavatra ho an’ny vahoaka, raha ho izay ny endriny, ary efa ela aza izany no tokony ho natao, saingy ny tena irariana sy tadiavin’ny besinimaro dia ny hisian’ny vahaolana maharitra. Raha tarafina amin’ny famazavana “vary tsinjo” sy “tosika fameno” na fanomezana hafa hatramin’izay mantsy, ampahan’olona ihany no misitraka izany, ary efa manana antontan-kevitra na “base de données” manokana ny Fanjakana ao anatin’izany. Tsy mahomby intsony ny resaka vonjitavanandro satria ny tena zava-misy eto, ny Malagasy 27 tapitrisa no efa sahirana amin’ny vidim-piainana, tsy fananan’asa, fitotonganan’ny fihariana,… ary mila paikady mazava fa tsy vitan’ny zavatra mandalo amin’ny alalan’ny kitsinjotsinjo sy kizarazara amin’ny ampahan’olona izay ilaina, saingy tsy maharitra, ary avy eo hiverina ho sahirana ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus