airtel

Politique

20-août-2021

Politique

Rafanomezantsoa Jean Nirina « Ireo mpanao politika mpampihorohoro no tsy mampandroso »

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA no sady filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy omaly.

20-août-2021

 Nambarany fa firenena tokony handroso Madagasikara raha voafongotra ireo mpanao politika sasany sy fikambanana mpampihorohoro izay lasa manipy hoditr’akondro ny mpitondra.
MILA FONGORINA
Mila fongorina maika izy ireny hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina hananana firenena vanona sy vonona hiatrika ny asa fampandrosoana marina. Ireny fikambanana mpampihorohoro sy mpanao politika sasany ireny mantsy hoy izy no miezaka mamboly korontana sy mivelona amin’ny asa fanakorontanana eto ka lasa ny vahoaka no mizaka ny tsy eran’ny ainy. Nataon-dRafanomezantsoa Jean Nirina bango tokana izy ireny na ao anatin’ny Fitondrana na ety ivelany satria samy manipy hoditr’akondro amin’ny mpitondra avokoa. Tokony hatsangana araka izany hoy izy ny tambajotra matanjaka Tia Tanindrazana sy hanao asa soa eto amin’ny firenena hahafahana manavotra haingana ny fiainan’ny mponina, indrindra fa ny lafiny ara-tsosialy.
MIAINA ANATY HARENA NEFA MAHANTRA
Miaina anaty harena isika hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina saingy mbola mahantra hatrany. Ny olana mantsy hoy izy hatramin’ny taona 1991 no mankaty rehefa natao ny fandalinana sy fanadihadiana dia ireo fikambanana na antoko politika mikarama ary tsy mahazo tombontsoa raha tsy misy korontana eto Madagasikara no tena mitarika olana goavambe. Miteraka hatrany ny tsy fitoniana izany hoy izy izay tafiditra anaty tambajotra iray mihitsy. Fomba fiasan’izy ireny hoy hatrany izy ny mody mandangolango rehefa any an-dapa nefa mamporisika indray rehefa tafavoaka ety ivelany ka miteraka fihatsaram-belatsihy. Maika araka izany hoy izy ny fijerena ireo antony tsy mampandroso an’i Madagasikara hahafahana mandray fanapahan-kevitra. Amin’ny ankapobeny mantsy hoy izy dia ny Filoham-pirenena hatrany no hiangonan’ny rihitra nefa ny sasany no tsy mahavita ny andraikiny na manao ny hataony.


TOKONY HAHAY HANDINIKA
Tokony hahay handinika tsara ny Filoham-pirenena araka izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, indrindra manoloana ireo olona manodidina azy. Efa dingana goavana hoy izy ny fahavitany nanova ny governemanta ary inoana fa fanapahan-kevitra noraisina tamim-pahamalinana izany ka tena zava-dehibe tokoa amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’ny ankapobeny. Tokony hisy araka izany hoy izy ny famaizana ireo Ministra sasany niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera Facebook sy ny haino aman-jery ka anisan’ireny ny fanodinkodinana volam-panjakana. Tokony ho sahy handrava ny tambajotra ny Filoham-pirenena hoy izy na ambohony na ambohon’olona, indrindra fa tambajotra mety hanimba azy. Ny zava-dehibe mantsy dia ny firenena mandroso hoy izy.
MITADY NY FITONIANA ARA-POLITIKA SY SOSIALY
Ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina manokana dia fantatra fa misafidy ny hitady izany fitoniana ara-politika sy sosialy izany ny tenany ankehitriny ary manangana tambajotra tena Tia Tanindrazana afaka hiaro ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-belona. Anisan’ny adidy goavana efa noraisiny ohatra ny nandravona ny fihavanan’ireo olona tsy nifankatia sy nifankahala hanjary hahay hifampiresaka. Nosinganiny manokana Rakotomalala Henrie na Riribe, mpitarika ny gadra politika izay notsindriany fa mafanafana saingy rehefa nentaniny mba hitodika hifanome tanana amin’ny Fitondram-panjakana dia tena nanolo-tena tokoa ary nifona ampahibemaso tamin’ny Filoham-pirenena. Toraka izany koa hoy izy ny VAM na ny Vondrona Ambany Tanana Miray izay hihetsika mafy amin’ny fanovana ny toe-tsaina mba tsy hisy intsony ny kamo be tenda fa samy hiezaka ny tsirairay hanatsara ny asa fivelomany. Tsy ho ahy izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa ho an’ny vahoaka iray manontolo.

MANIPY HODITR’AKONDRO
Nasiany resaka manokana ihany koa ny mikasika ny fanaratsiana ireo Ministra sasany sahady ankehitriny arahin’ny famoronana dosie. Mety ho hoditr’akondro hatsipy ny filoham-pirenena izany hoy izy koa raha vantany vao mijabaka ny mpitondra dia tena hidiram-pahasahiranana tokoa noho izany mila mandinika. Notsihiaviny moa fa firenena manan-karena i Madagasikara koa raha hain’ny rehetra ny mifanohana sy mifanome tanana dia tokony handroso tokoa ny firenena, indrindra amin’ny alalan’ny fahaizana mikirakira ireo zavatra voajanahary. Tsy adinony nandritra izany ny niantso ny mpanohitra mba hifanampy ihany koa. Tsy voatery hanana toerana hoy izy ny olona iray vao afaka manao zavatra fa na olon-tsotra aza ka manana ezaka dia tokony hahavita zavatra tsara hatrany.
FIOMPIANA SY FAMBOLENA
Tsy adinony nandritra izany ny nanome vahaolana ho entina mampandroso sy mampandeha ny fiainam-pirenena, indrindra fa ny vidim-piainana izay mampitaraina fatratra ny vahoaka. Amin’ny alalan’ny fiompiana sy ny fambolena no hahafahana manatanteraka izany hoy izy raha laharam-pahamehana kosa ny rano sy ny zezika ary ny masomboly. Rehefa voafehy ireto farany hoy izy dia tsy voatery hanafatra entana intsony isika ary hidina ho azy ny vidim-piainana. Politika tokony hohain’ny rehetra izany hoy izy fa ireo Ministera kle no tena tokony handray andraikitra be dia be.
FITIAVAN-TANINDRAZANA
Farany izay tsy kely akory dia nanambara Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tena matory ny vahoaka ankehitriny ary ao anatin’ny torimaso tanteraka. Mila tairina ny fitiavan-tanindrazana ao anatin’izy ireny hoy izy ary mila manavotra ny ankohonany ny tsirairay avy fa tsy ho variana na hanonofy fotsiny ny amin’izay tetikasa tokony hotanterahiny. Tsy misy ny olona tokony ho resy hoy izy rehefa tena manam-piniavana, indrindra ka manam-pinoana ary mivavaka. Notsiahiviny moa fa anisan’ny fahavalom-pirenena ny hakamoana sy ny fitiavana te-hihinam-potsiny fa tsy hisasatra ka tokony handosirana sy hialan’ny tsirairay izany hahafahana miady amin’ny fahantrana.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA no sady filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap