airtel

Politique

28-mars-2022

Politique

Raharaha 29 martsa 1947 75 taona aty aoriana, inona marina no vokany ?

Sample post image

Feno 75 taona rahampitso ny nisian’ny raharaha 29 martsa 1947 teto amin’ny firenena. Misitery, tsiambaratelo, manako amin’ny fiainam-pirenena hatramin’izao,

28-mars-2022

 izay raha fehezina ny fanehoan-kevitr’ireo manam-pahaizana, mpahaitantara, mpahaifiarahamonina nandinika sy nikaroka manokana momba ity raharaha voalaza ho namaraparana ny fanjanahantany nataon’ny Frantsay ity. Inona marina moa no nampipoaka ny 29 martsa 1947 ? Inona no nentiny ho an’I Madagasikara? Inona no nofonosiny? Toy izao manaraka izao ny fanehoan-kevitra.
Hemerson Andrianetrazafy
Mpahaitantara, manam-pahaizana momba ny vokoka
“Ny fikambanana miafina Jiny sy Panama no tompon’antoka”
“Nisy zokibe naniry izany Madagasikara mahaleotena izany naneho ny fahitany ny raharaha 29 martsa 1947. Maro ny tsindry sy zioga nangeja teo amin’ny rafitra sy ny andavan'andro. Ambany vahoan'ny manam-basy sy manam-pahefana anefa dia miforitra mizaka izay mihatra. Nitsoaka ny rivom-pahafahana rehefa avy nanafaka ny mpanjanaka sendra niaritra kely ny rafim-panjanahana narovany hatrizay. Dia nodradraina eran-tany ny zo fototra ananan'ny firenena rehetra hizaka tena... Mba nanonofy an'izany ireo zokibe teo aloha ka nanapa-kevitra ny hisotro ny aleoko maty, nandray fiadiana zara fa maranitra, namonkona totohondry eran'ny tanana saingy hery tsy nifandanja. Vokany, maty an'alina sy ranomaso tsy misy tambiny. Zara fa misy ny 29 martsa atao fahatsiarovana. Tsy mino aho hoe ny zava-misy sy iainana eto sy izao no nandalo sy niserana tao amparahatony tamin'izany ka nahafoizany ny ainy. Ny fikambanana miafina Jiny sy Panama no tompon'antoka tamin'ny fipoahan’ny raharaha 29 martsa 1947 fa tsy ny MDRM izay nikendry sy niezaka hisehatra amin'ny lalana ara-dalàna ka nandraisany anjara tamin’ny fifidianana rehetra nisy tamin’izany. Io hiarahantsika milanja io kosa ny dian-tanan’ny Padesm. Tsy afa-bela amin’i Lafrantsa, sarisarin-drafitra an-taratasy miharo fiankinan-doha amin’ny mpanam-bola any ivelany, fanilihana an-kolaka ny olom-pirenena tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny momba azy sy ny ho aviny sy ny maro hafa no vokatry ny nataon’ny Padesm.”

 

Faramalala Ratsaratoetra
Mpahaitantara nandinika ny anjara toeran’ny vehivavy
“Nandray anjara tamin’ny famatsiam-bola ny MDRM ny vehivavy”
“Ny fifohazana ara-politikan’ ny vehivavy teto Antananarivo sy manerana ny Nosy dia somary nitarazoka. Tsara marihana fa na aiza na aiza ireo toerana hitolomany, ny ankamaroan’ireo vehivavy mpitolona ho amin’ny fiverenan’ny fahaleovantena mazàna dia nanana fari-pahalalana teo amin’ny fanabeazana an-tsekoly. Raha ny antoko MDRM (Mouvement démocratique de la rénovation malgache) no asiana topimaso dia niforona teo anilan’ny rafitra foiben’ny MDRM ny sampana vehivavy tamina toerana maro, toy ny tany Sahasinaka, Talata Anampano, Fianarantsoa, Toliary, Antsiranana ary koa tamin’ireo toerana vitsivitsy teto Antananarivo (Isoraka, Soarano, Mahamasina, Tsaralalana, Ampandrana, Antanimena, Antaninandro, sns). Ny fandraisana anjaran’ ireo vehivavy tao amin’ny antoko MDRM (sampana vehivavy) teto Antananarivo Tsy ny lehilahy ihany no nanabe voho ny antoko MDRM. Ny vehivavy, ihany koa, dia nandray anjara mavitrika ho fitakiana ny fahaleovantena taorian’ny Ady Lehibe faharoa. Nitolona teo anila na ambadiky ny vadiny, ny anadahiny izy ireo mba hanafoanana ny fanjakazakan’ny mpanjanaka. Ireo vehivavy avara-pianarana ireo dia nahazo mari-pahaizana, voafidy na voatendry no nanangana ny sampana vehivavy tao amin’ny antoko politika MDRM. Ireo asa nosahaniny dia nifantoka tamin’ny fanampiana ireo vadiny, ny rainy na anadahiny tamin’ny fikarakarana fivoriana sy fampielazan-kevitra tamin’ny fifidianana ary ny fanentanana ny vehivavy teto Antananarivo mba hirona bebe kokoa amin’ny raharaha politika. Mandritra ny fivoriana, ny vehivavy MDRM no niandraikitra ny fandraisana an-tsoratra ary indrindra nisahana ny fitantanam-bolan’ny antoko. Tsy vitan’izany fa nisahana ny lafiny sosialy, ihany koa, ny sampana vehivavy tao amin’ny antoko MDRM satria izy ireo no nandray anjara tamin’ny famatsiambola ny antoko. Namatsy ara-pitaovana sy ara-bola ny vady aman-janaky ny mpikambana MDRM nogadraina noho ny raharaha 1947. Tsaroan’izy ireo hatrany ny fiandrasana sy ny fitaintanana teny amin’ny « Sûreté Générale » teo Antaninarenina isa-maraina momba ny vaovao ho azo mikasika ireo olona akaiky azy ireo. Ho an’ireo vehivavy ireo sy ho an’ny sampana vehivavy tao amin’ny antoko MDRM, ny tolom-panafahana tamin’ny Martsa 1947 dia niteraka herisetra ara-moraly satria ny mpitondra tamin’izany dia nanilikilika ireo vondrom-behivavy ireo tamin’ny fiarahamonina noho ny maha mpikambana azy ireo tao amin’ny antoko politika sy noho ny maha vadina mpitolona azy ireo. Tsy nanana fidiram-bola nilamina intsony izy ireo noho izany ka nirona tamin’ny fanaovana asa an-tselika satria sady vavy izy ireo no lahy tamin’izany vanim-potoana izany. Lasa nitantana tsy fidiny ny tokantranony samirery ny vehivavy noho ny toe-java-misy. Tamin’ireo mpikambana vehivavy nivondrona tao amin’ny antoko MDRM teto Antananarivo dia maro no nirona bebe kokoa tamin’ny asa fampianarana, asan’ny mpampivelona, mpitsabo ary ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny vehivavy navitrika tamin’izany ramatoa Juliette Ranaivo (dokotera). Ramatoa Razafindrasoa, mpanao gazety, niandraikitra ny gazety « Kintan’ny maraina », « Antson’ny Nosy » ary « Ny Adidy ». Anisan’ireo vehivavy nafana fo, navitrika, ary fototry ny tolona ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ramatoa Razafindrasoa, vadin’ny dokotera Rakotonirainy sady nanolotra ny trano fonenany ho fandraisana ireo mpikambana MDRM tany amin’ny faritany. Ary anisan’ireo vehivavy namatsy vola ireo mpikambana MDRM mila izany izy. Ireo vehivavy voatanisa ireo dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety nandritra ny vanim-potoana mafana teo amin’ny tantaran’ i Madagasikara, na teo aza ny fanenjehana nivaivay nataon’ireo mpitondra fanjakana tamin’izany. Nitolona izy ireo mba hahazoana fara fahakeliny ny fahafahana maneho hevitra.”
Paul Rabary
Mpahaifiarahamonina politika
“Ny zaza navelan’i Lafrantsa sisa no navelany nanao politika”
“Velam-pandrika nataon’ny frantsay taorian’ny fiokoana nataona Malagasy mahery fihetsika noho ny tsy fandrasana ny lalan-tantara eran’izao tontolo izao ny raharaha 29 martsa 1947, raha ny fanadihadiana sy fikarohana nataoko. Taorian’ny ady lehibe faharoa dia tsy nanana tanjaka hibaby, hamelona, hitrotro ireo firenena voazanaka intsony I Lafrantsa. Raha jerentsika dia nanodidina ny taona 1960 teo daholo no nanomezana fahaleovantena ireo firenena nozanahan’ny frantsay. Nomen’ny frantsay fa tsy niadian’ny zanatany ny fahaleovantena. Lalan’ny tantara noho izany ny tsy maintsy hamela ireo firenena avy nozanahana taorian’ny ady lehibe faharoa. Nisy Malagasy nahery fihetsika tsy nahandry ny andro sabotsy nefa nioko satria niheritreritra fa raha fahaleovantena omen’ny frantsay dia sarintsariny ihany ka aleo iadiana ihany aloha. Olona vitsy ireo ary tsy nahazo fankatoavana tamin’ny MDRM. Rehefa nanontaniana ny mpitari-tolon’ny MDRM dia Ravoahangy sy Raseta ary Rabemananjara dia samy nilaza fa tsy nanaiky. Tsy tao ambadika. Tsy nanosika ny fiokoana nataona olom-bitsy. Io fiokoana io no nararaotin’ny frantsay namotehana ny MDRM, izay antoko politika natanjaka nanerana ny nosy, nanana ny solontena tany amin’ny parlemanta frantsay, solontenan’I Madagasikara ary nandresy foana tamin’ny fifidianana. Namoaka didy ny frantsay fa rava ny MDRM taorian’ny 29 martsa 1947. Tsy mahazo manao politika intsony. Ny zaza navelan’I Lafrantsa sisa no navelany nanao politika. Tratran’ny velam-pandrika ireo mpioko, potika ny RMDM, potika ny mpanao politika mamim-bahoaka izay lany tamin’ny fifidianana mangarahara nokarakarain’ny frantsay, zaza navelan’I Lafrantsa sisa navela hitondra an’I Madagasikara ary nomena ny fahaleovantena. Tsy gaga isika raha tsy tafiditra tao anaty fifanarahana fanomezana fahaleovantena ny nosy manodidina na “Iles Eparses”. Mbola olantsika hatraty amin’ny 2022 io. Ilay didim-panjakana namoaka fa tsy mahazo manao politika intsony ny MDRM izany no tena nanamarika io tantara io satria raha MDRM no nomena fahaleovantena dia nitaky “Iles Eparses” izy. Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao sy sarintsarina fahaleovantena no vokatry ny 29 martsa 1947 ary izay no mbola nahatonga ny raharaha 13 may 1972 hoe sarintsarina fahaleovantena io fa andehana daholo ianareo vazaha mody, ravao ny rehetra, hoy ny tanora tamin’izany. Tsy nisy antony tokony niokon’ny MDRM satria tanaty fitondrana izy. Raha tsy nisy iny raharaha iny dia ny MDRM no nitantana ny repoblika voalohany nefa tsy maintsy nasiana iny raharaha iny hamotehana ny MDRM.”
Nanangona sy nandrindra: Jaonary Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap