airtel

Politique

16-sept-2021

Politique

Raharaha Ambatobe Manilika any amin’ny mpanohitra ry Lalatiana

Sample post image

Mitodika any amin’ny mpanohitra ny vava basin’ny Minisitry ny serasera sy ny mpomba azy eo anatrehan’ilay resabe nahavoatonontonona azy sy ny vadiny, ary ny mpanakanto malaza Mr Sayda.

16-sept-2021

 Manamafy izy ireo, fa ny mpanohitra no ambadiky ny fanelezana resaka sy vaovao tsy mitombina hamelezana azy. Voizina amin’ny fampahalalam-baovao sy ny “kaonty fako” mpomba azy indray ankehitriny ny hoe: “voamarina izao fa ireo mpanao politika mpanohitra sy ireo olona mpankahala ny Fitondrana Volomboasary no ao ambadiky ny fanaratsiana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Tsy misy marina izay tsy hipoitra, fa nanao lainga marivo tototra izy ireo ka nehezin’ ny akoho tokanan’ anaka. Nivatravatra fiteny ireo olon’ny mpanohitra sy ireo haino vaky jerin’ny mpanohitra, nandrirotra ny fanaratsiana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina…. Fantatra avokoa ireo olona any anaty Tambajotra sosialy Facebook mivoy ireo fanaratsiana ireo. Olon’ ny mpanohitra avokoa izy ireo,…”, hoy ny fiarovana an-dRtoa minisitra. Efa nitory gazety an-tsoratra iray ny minisitra ka nahoana ary no tsy tononona sy toriana ihany koa izay ambara fa mpanao politika manoso-potaka azy ireo fa tsy any anaty facebook no tena hivoizana ny hoe: mpanohitra, tsy marina,…? “Inona akia no hidiranay mpanohitra mikasika ny fifanakalozanareo any ry Lalatiana sy Andry ary Sayda ! Lazao ihany koa fa tsy notorianao “pour detention d'arme illicite et sans autorisation” ny vadinao ry Lalatiana koa inona no idiran'ny mpanohitra amin'ny fanaratsiana amin'izany!? Lazao ihany koa fa tsy voatazona ao amin'ny “commissariat ny 8ème arrondissement” i Andry vadinao ? Ary lazao ihany koa fa efa notsohainao ny fitoriana nifanaovanareo samy ianareo ao amin'ny fitsarana mikasika “sequestration” sy “tentative de meurtre”? Ny anay izao ilay 1,300 miliara nanjavona nahodikonareo mianakavy no olanay fa izay hifanjevoanareo ao, mifamonoa, mifanakaloza, ary mifampitoria fa anareo ny tany sy fanjakana izao !”, hoy kosa ny valin-kafatra nataon’I Faniry Ernaivo Mpitarika ny RMDM any Frantsa.
NANDAINGA VE IZANY NY PFERE ?
Efa nisy ny fanamafisana nataon’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa tena nisy ny poa-basy teny Ambatobe ny alin’ny alatsinainy 6 septambra, ary nanamafy izy fa nalaina ny basy. Efa nilaza rahateo ny gazety an-tsoratra iray talohan’ny fanazavan’ny Praiminisitra, fa nalaina ny basy tany amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo Atoa Andry Andriantongarivo. Inona izany no tena hidiran’ny mpanohitra amin’izany? Inona no antony nampipoaka ny basy? Nahoana I Lalatiana Rakotondrazafy mivady no tsy mbola nandiso ampahibemaso hatreto fa tsy nisy basy nipoaka ary tsy basin’Atoa Andry Andriatongarivo ilay voalaza fa nitifirana an’I Mr Sayda? Nahoana no tsy sahy miteny fa tsy nisy basy nalain’ny manam-pahefana izany? Mpandainga ihany koa ary ve izany ny Prefen’Antananarivo amin’io minisitra io sy ireo mpomba azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap