airtel

Politique

14-déc-2023

Raharaha « Apollo 21 »

Mitady fomba hampodiana an’i Paul Rafanoharana i Lafrantsa…

Sample post image

Miverina ny fifampiraharahana mangina momba ny raharaha Paul Rafanoharana

14-déc-2023

izay katsahin’ny Frantsay ny hahafahana mamindra azy any France, raha ny vaovao navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence ny 12 desambra lasa teo. Ity farany izay migadra eny Tsiafahy nanomboka ny jolay 2021, ary nohelohina higadra 20 taona asa an-terivozona ny desambra 2021. Nenjehina ho nikotrika fanonganam-panjakana sy fikasana hamono mpitondra ambony teto Madagasikara izay nomena ny anarana « Apollo 21 » ity teratany Frantsay-Malagasy izay manamboninahitra tao amin’ny tafika Frantsay ity. Nihantona ny fifandresen-dahatra teo amin’i Paris sy Antananarivo mikasika ity dosie ity tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana, raha toa ka efa nisy ny fanapahan-kevitra nirosoan’ny Frantsay tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony Arnaud Guillois sy ny Consul Général de France Jean-Louis Roth nanavao indray ny fangatahana tamin’ny Filoham-panjakana Malagasy, hoy ny Africa Intelligence. Nanomboka ny volana febroary, niandry ny fankatoavan’i Andry Rajoelina ahafahana manetsika ireo dingana rehetra famindrana an’i Paul Rafanoharana izay mampanahy ny toe-pahasalamany i Paris, hoy hatrany io vaovao io. Nambara ihany koa fa nisy fifampiresahana manokana tamin’ny alalan’ny « visioconférence » ny 05 desambra, ary miketrika mafy ny hahatanterahan’io i Lafrantsa ary isan’ny miandraikitra izany ireo diplaomaty ao anatin’ny CDCS na « Centre de crise et de soutien » eo anivon’ny Qau d’Orsay. Io CDCS io no voalaza fa miantsoroka ny dingana famindrana, ary efa nanao ny dingana fampihaonana nahafahan’ny Filoha roa tonta nifampresaka, toy ny tamin’ny septambra 2022, hoy hatrany ny fanamarihana. Raha toa ka nahomby ny famindrana an’i Philioppe François ny 23 jona lasa teo, dia mbola baraingo ny mikasika an’i Paul Rafanoharana izay notondroina ho atidoha voalohan’ny « Apollo 21 ». Asa izay ho fandehan’ny fifampiraharahana ara-politika sy ara-diplaomatika ho an’ny firenena roa tonta. Inona no tambiny raha havotsotra ? Inona no fiantraikany raha hotazonina ? Heverina fa kosa fa tsy tongatonga ho azy ireo toe-javatra nitranga tato ho ato toy ny nanambaran’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ny 3 desambra roa andro taorian’ny fanambaran’ny HCC ny fahalanian-dRajoelina fa hanangana Ivon-toeram-pikarohana any amin’ny Iles Eparses ; ny nanendrena ny Jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel izay isan’ny olona voavolavola tany amin’ny Sain-Cyr sady Filohan’ny rantsan’ny SMLH « Société des Membres de la Légion d’Honneur » Frantsay eto Madagasikara,…
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap