airtel

Politique

15-déc-2021

Politique

Raharaha “Apollo 21”  Nanjavona ny porofo sasany  Misy olona akaiky ny Filoha mila hadihadiana

Sample post image

Ilay Kolonely Frantsay misotro ronono François Philippe sy ny Praiminisitra tamin’ny fotoan’andron’ny Amiraly Ratsiraka dia ny Jeneraly Victor Ramahatra

15-déc-2021

 indray no isan’ny niverenana nohenoin’ny Fitsarana momba ny raharaha “Apollo 21” omaly 14 desambra. Fampisehoana ny porofo na « pièce à conviction » saika hoentiny manaporofo fa manana anton’asa mazava fa tsy izany resaka “Apollo 21” no saika hataon’i François Philippe, saingy voalaza fa nisy namafa tao amin’ny solosaina fampiasany ny antontan-kevitra sasany. Niaka-peo izy ary nisy karazana fifamaliana mihitsy teo aminy sy « avocat général » noho io resaka famafana antontan-kevitra io. Teo ihany koa ny «clé USB » voalaza fa misy antontan-kevitra mifandray amin’ny “Apollo 21” kanefa voalaza ihany koa fa nisy namafa. Ampahana antontan-kevitra sy porofo voalaza fa tokony hasehon’ny Jeneraly Victor Ramahatra ihany koa no voalaza fa nisy namafa. Hisy fikarohana sy fanadihadiana momba ireo antontan-kevitra ireo ka aorian’izay vao afaka miteny ny fahamarinan’izany na tsia, raha ny làlan-tsaina nentin’ny fitsarana. Efa saika nohenoin’ny Fitsarana avokoa moa ireo manamboninahitra ambony miisa 5 voatonontonona tamin’ity raharaha ity, saingy nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy.
TOKONY HOHENOINA
Isan’ny nitaraina tany amin’ny fampahalalam-baovaon’ny RFI ny mpisolovava an’ireo voapanga momba ny tsy fahatongavan’ny olona hafa tokony hohenoina. Tamin’ny andro voalohany mantsy dia nisy ny olona notonin’i Paul Rafanoharana toa an-dRtoa Michou mpanolontsain’ny Filoha, mpanolontsaina voalohany masoivohon’I Madagasikara any Paris. Voatonona ihany koa ny anaran’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Lova Ranoromaro tamin’ny andro faharoa. Toy izany ihany Atoa Patrick Rajoelina Minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny, fony izy mpanolontsaina ara-diplaomatikan’ny Filoha. Voalaza fa nangataka anarana olona hatolotra tamin’ny voarohirohy anefa izy ireo. Voatonona ihany koa ny Mpandraharaha ara-tsolika iray antsoina hoe Romie sy Rtoa iray antsoina hoe : Florence izay nambaran’i Paul Rafanoharana fa nanome ny 900 tapitrisa Ar. Raha tsy misy fihainoana an’ireo dia mbola handringa ny raharaha, hoy ny mpiaro ireo voapanga sasany. Mampiahiahy io tsy fiantsoana ny voatonontonona sasany io hoe : misy zavatra hafenina ve ka ireto efa nosamborina ihany no terena halentika ?
Toky R
Légende : Nandritra ny fitondrana ireo voarohirohy amin’ny « Apollo 21 » tetsy amin’ny Fitsarana Anosy omaly.
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap