airtel

Politique

06-août-2021

Politique

Raharaha Appolo 21 Nanao ampamoaka goavana i Sareraka

Sample post image

Niporitsaka ny horonam-peon-dRandriazanakolona Yvon na Sareraka izay voalaza fa nandritra ny fanadihadiana natao azy noho izy voasaringotra tamin’ny raharaha fikasana hamonoa ny Filoha Rajoelina na ilay raharaha « Appolo 21 ».

06-août-2021

 Nolazainy tao anatin’io fa ny resaka fitrandrahana solika any Tsimiroro no mahatonga ny « bagare » satria misy ny bizina maloton’ny tandapa, borizano,… araka ny niantsoany azy. Voalazany fa filoha teo aloha iray sy tandapa iray tamin’izany no nihinana ny 20% an’ny kaompanian-tsolika iray, antony tsy nanekena ny fampiasana ny « Fuel lourd » ho an’ny JIRAMA. « Efa notabatabain’i Sareraka io tamin’ny 2016-2017. Tonga ny Fanjakana amin’izao, nofitahin-dry zalahy ny Filohan’ny Repoblika hoe : 20% fotsiny ny antsika amin’io. Tratran’i Sareraka fa 50/50% ilay izy ary eo izany dia tratra daholo ny mpibizina tandapa rehetra. Iza no nihinana io 20% io rehefa niala ny teo aloha? Anjarantsika no mahalala azy. Iza no no mbola te hihinana an’io? Ampidiro any am-ponja I Sareraka fa Sareraka no mahalala an’io sy mitabataba an’io amin’ny namany”, hoy ity olona akaiky ny Filoha hatramin’ny 2009 ity. Nambarany, fa 2960Ar ny “fuel” ampisain’ny JIRAMA hafaran’ny kaompanian-tsolika roa avy any andafy. Raha mandeha I Tsimiroro izay efa vita tamin’ny jolay ny andrana teny Mandroseza, dia 1364Ar indray raha Fuel lourd ary tsy mila manafatra intsony ny Fanjakana, miodina ny jirama, mihena ny vidin-jiro. Tratra ilay fitaka natao tamin’ny Filohan’ny Repoblika hoe 20% no anjaran’ny Malagasy any Tsimororo, hoy hatrany I Sareraka. “Rehefa navadibadik’i Sareraka sy ny manam-pahaizana ny dosie dia 50% ny anjaran’ny Malagasy, ary 50% ny anjaran’ny Madagascar Oil. 650 tapitrisa barila ny anjarantsika, ary toy izany ihany koa ny an’io orinasa io. Ny vidin’ny “huille lourde” fotsiny izay mbola tsy voavadika eran-tany amin’izao 40 dolara, izany hoe mivadika ho “Pétro-dollars” izany I Madagasikara, manana 23 miliara dolara avy hatrany, afaka ampidirina amin’ny Kaonty nasionaly. Ny manam-pahaizana iraisam-prenena Brice Randrianasolo efa noraisin’ny Filohan’ny Repoblika nitondra io “fond souverain” izay hodinihin’ny antenimiera io. Tsy faly ny tandapa rehefa hoe misy Malagasy mahalala ny tokony hatao. Hatramin’izay misambo-bola amin’ny resabe fotsiny fa afaka misambo-bola satria amin’izao 26 miliara dolara I Tsimiroro fotsiny,…”, hoy ity tandapa ity.
874 MILIARA ISAN-TAONA
Lasa any amin’ny tombotsoana borizano no mibahana satria 874 miliara Ar isan-taona ny vola lany amin’ny Jirama mahatonga antsika mitrosa vola amin’ny Banky iraisam-pirenena. Rehefa rava io satria handeha pipeline mivantana mandeha Maintirano, vita “goudron” ihany koa I Maintirano, dia sambo ny mitatitra manerana an’I Madagasikara, tsy tapaka ny famatsiana an’Antananarivo avy any Toamasina satria miodina any ny sambo. Ny tombotsoa amin’io menaka mavesatra ao Tsimiroro io dia 2% ny “teneur en souffre” izany hoe entona mandoto. Ny eken’ny fenitra iraisam-pirenena tamin’ny COP21, COP22,… dia 5% ny farany ambony, izany hoe ny antsika no tsara indrindra. Ny dikan’izany dia haka sy hanjifa aty amintsika ny sambo manerana izao tontolo izao. Ny “goudron” ao amin’io dia tena betsaka na hatao an’izany daholo aza ny làlana manerana an’I Madagasikara, fa ny mahamaika ny borizano, dia hoe ataovy ny làlana Tsiroanomandidy-Tsimiroro, izany hoe ny hanao ny afera hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Tsy mety manao an’izay ny Madagascar fa ny azy dia hoe: Pipeline Maintirano-Tsimororo, hoy hatrany I Sareraka.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap