airtel

Politique

19-mai-2023

Politique

Raharaha “Autouroute” Nesorina ny “DG”-n’ny ONE, mbola olana be ny tetikasa

Sample post image

Tsy niandry ela, 2 andro taorian’ny nanaovana tatitra ofisialy ny 15 may teo, fa ny 12 may 2023 teo vao nanomboka

19-mai-2023

ny fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina mikasika ny tetikasa “Autoroute”, dia nesorina avy hatrany ny filankevitry ny Minisitra afak’omaly 17 may ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana Atoa Rija Herisolo Rakotoson. Ny novambra 2023 no nandeha ny fitrongisana tanin’olona, tanimbarin’olona,… saingy 5 volana aty aoriana vao misy resaka fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-piarahamonina. Voalaza fa misy ny fampiatoana ny asa noho ny fanadihadiana mandeha. Nisy indray 16 may ny famoaham-baovao nentina nandisoana izany, ka nilazana fa efa vita tamin’ny novambra 2022 ny fanadihadiana EIE na « Étude d’Impact Environnemental » izay tombanan’ny ONE sy ny Komity teknika ankehitriny. Nambara fa mitohy ihany koa ny fanaovana tombana ara-tontolo iainana eny an-toerana amin'izao fotoana izao izay tsy maintsy arahina fandaminana toy ny fampitsaharana ny fikasihana ireo tanimbary, mandra- pahavitan’ny fakan-kevitra sy ny pitsopitsony ara-teknika. Efa nandeha ny dingana fanesorana ny Tale Jeneralin’ny ONE, raha ny loharanom-baovao avy ao anatiny. Volaza fa efa ela no tsy dia niasa, fa iny resaka “autoroute” iny no nanafaingana azy. Betsaka ny kiana avy ao anatiny, ary mandeha ny fanamarihana sy antso amin’ny mba tokony hijerena ny lafiny teknika ihany fa tsy politika fotsiny rehefa manendry tompon’andraikitra ambony satria hoe: toerana politika ny an’ny Tale Jeneraly, ary tokony ho olona madio fa tsy sanatria olona hanao bizina fotsiny. Mikasika ny tetikasa “autoroute” kosa, voalaza manomboka ao Ambatondrazaka no tena olana be amin’ny lafiny tontolo iainana. Aona no hanaovana “emprise de 500m” anaty ala ? Raha mandray ohatra, tsy be sakantsakana loatra ny “pipeline” an’Ambatovy kanefa an-taonany maro ny fanadihadiana, kanefa mbola lehibe noho izany “autoroute”. Olana be io ka mety ity 80km ity aloha no atao, avy eo izany mifampitady, hoy ny fanamarihana. Mety hanimba tontolo ara-boanjanahary goavana ka ny fenitra iraisam-pirenena ve hanaiky izany? Raha ny fanamarihan’ireo teknisianina hafa ihany koa, ny EIE dia tokony any amin’ny fanadihadiana na APS (Avant Projet Sommaire) sy APD (Avant Projet Detaillé) no nanaovana azy, mbola any alohan’ny antso tolo-barotra momba ny tsenambaro-panjakana ahazoan’ny orinasa mpanao làlana ny asa. Dia mino ve isika fa hahavita na 10 km fotsiny amin'io ry zareo na mbola amin'ny faran'ny taona 2024 aza? hoy ny fanontaniana. Toa manamafy hatrany fa ny sehoseho no lasa aloha, ary na ny namaritana ny tetibola hanaovana ny asa aza izany mety tsy nisy fototra teknika niaingany?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap