airtel

Politique

14-déc-2023

Raharaha depiote Fetra

Nororitin’ny Minisitry ny Fitsarana amin’ny « tratra ambodiomby »

Sample post image

Tsy nisy ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena,

14-déc-2023

ka nohararaotin’ny depiote nametraham-panontaniana momba ny raharaha mafana toy ny fisamborana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona ny Minisitry ny Fitsarana omaly, nandritra ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsiam-bola sy famatsiana ny fampihorohoroana. Nitaky valiny mahitsy teo anatrehan’ny resaka zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » an’io filohana vondrona parlmantera io ny depiote TIM Ramboasalama Emilien. Nilaza kosa ny Minisitry ny fitsarana Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, fa misy tokoa ny « immunité » fa misy ihany koa ny lalàna velona, ka miaraka jerena ireny. Ny lalàmpanorenana, hoy izy, no ambony indrindra, ka nilazany fa tsara jerena ihany ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana mikasika ny « flagrant délit » na tratra ambodiomby. « Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsabato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan'ny fotoam- pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Biraon'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka. Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin'ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan'ny solombavambahoakairay ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin'ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny Birao ao anatin'ny telo volana», hoy moa ny voalazan’io andininy io. Nilaza ity Minisitra ity, fa ny lalàmpanorenana no ambony, ary tsy voaaron’ny zo tsy azo henjehina rehefa tratra ambodiomby, izany hoe : ity resaka tratra ambodiomby ity no roritin’ny Fanjakana. Somary nahasorena ny depiote sy niteraka adihevitra tao Tsimbazaza ny mbola nilazan’ny minisitra fa afaka makany amin’ny toeram-piasany eny Faravohitra raha tsy afa-po tamin’ny valin-teny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap