fikomiana ara-miaramila nialohan’ny fifidianana. Ankoatra ireo miaramila kolonely miisa roa izay nalefa nidoboka am-ponja vonjimaika, dia mpanao gazety iray ihany koa no nahazo fampanantsoan’ny mpitandro filaminana. Nahazo taratasy fiantsoana mba ho avy hatao fanadihadiana eny amin'ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava Fiadanana mantsy ny mpanao gazety Gascar Fenosoa (Real TV). Raha ny voasoratra ao anatin’ny fiantsoana, dia ahiahiana ho niantso fikomiana ara-miaramila na « incitation à la mutinerie militaire » no antony. Mifandraika amin’ny fandaharana manokana nivahinian’ny manamboninahitra misotro ronono Jeneraly Ranto Rabarisoa ny 05 novambra ve ? Ity mpanao gazety ity izay nanamarika fa ataon’ny olona ohatra ny fahasahiana nataon’ny Jeneraly Ramakavelo izay nanery ny mpanao politika hifampidinika sy hivory tamin’ny raha tsy izany handray andraikitra ny tafika tamin’ny tamin’ny raharaha 1991 ka nilazan’i Gascar Fenosoa hoe : « androany dia miandrandra an’izay ilay olona ka izay no ilazako aminao hoe : afa-po amin’ireo zandrinao ve ianao?». Noho io na mitovitovy aminio sa antony hafa mihitsy ny fanadihadiana?
MAFAMPANA
Miha mafana mazava ity raharaha ity, ary heverina fa tsy tongatonga ho azy ny hoe : herinandro mialohan’ny fianianan’ny Filoha nambaran’ny HCC fa lany no miitatra. Sa karazana hafatra sy fampitandremana ankolaka ataon’ny mpitondra ? Raha hiverenana, nialohan’ny fifidianana no efa nisy vaovao nilaza fa misy manamboninahitra jeneraly sy miaramila arahi-maso akaiky, nambara fa mikasa hanongam-panjakana, mifandray amin’ny kandida filoham-pirenena sasany. Ny 27 novambra lasa teo no nidoboka am-ponja vonjimaika any Tsiafahy ny kolonely miisa 2 eo anivon’ny tafika. Ny ampitson’io dia nitondra fanazavana ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Rtoa Narindra Rakotoniaina, fa vesatra iampangana azy ireo ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy fanakorontanana mialohan’ny fifidianana tamin’ny alalan’ny fikasana hitarika miaramila hikomy. Eo ny mety ho sazy sy fitsarana ara-miaramila, fa amin’ny heloka sivily dia nohazavaina fa faizin’ny andininy faha-91 andalana fahatelo amin’ny fehezan-dalàna io. Nambara fa raha nanaiky ny vesatra iampangana azy izy ireo tamin’ny voalohany, dia nandà kosa tany amin’ny famotorana teo anatrehan’ny mpitsara mpampanoa. Mbola fitazonana am-ponja vonjimaika aloha io, fa miandry ny tohin’ny fanadihadiana, ka mba ahitana ny marina, dia naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo mandra-piandry ny fitsarana amin’ny 16 janoary 2024, hoy ny fanazavana tamin’izany. Navoakan’ny fampahalalam-baovaon’ny gazety vahiny Africa Intelligence ny 28 novambra moa, fa ankoatra ireo kolonely roa nalefa any Tsiafahy, dia efa nisy jeneraly miisa roa natao fanadihadiana, dia ny Jeneraly RR ny 16 novambra noho ny fandavany tsy handefa miaramila fanampiny teny amin’ny 13 may, ary nohadihadiana ihany koa ny Jeneraly AI izay lefitra amin’ny fibaikoana ambony iray ny 17 novambra.
HISY MPANAO POLITIKA ARAHI-MASO SY HOSAMBORINA ?
Miitatra ny olona ahiahiana na ampidirina amin’ity raharaha ity, izay tsy midika fa meloka avy hatrany ireny rehetra ireny, fa dia miandry izay ho tohiny satria saropady ihany koa io. Ao anatin’ny toe-draharaha politika mafana rahateo no mitranga ka heverina fa tsy tongatonga ho azy. Misy ny resaka mandeha fa misy mpanao politika izay kandida tamin’ny fifidianana efa arahi-maso sy mety hosamborina ihany koa. Ahiana ho namatsy ara-bola ity ambara fa fikasana hanao ilay fikomiana ara-miaramila ity izay 120 tapitrisa Ar no voalaza fa vola netsehina voalohany ? Ny 29 septambra dia anisan’ny notsindrina tao anatin’ny fanambaran’ireo Lehiben’ny EMMO-NAT ny tsy fahafahan’ny mpitandro filaminana ahiana ny zandary, polisy, miaramila manao fanambarana raha tsy mahazo fahazoan-dàlana avy amin’ireo lehibe any an-tampony mifanandrify amin’izy ireo. Endrika iray izay maneho sy manamafy fa tena manahy ny hisian’ny fikomiana na mahatsiaro ho tratry ny ambany ny mpitondra. Asa hanao ahoana ny ho tohiny ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby