Ny 14 martsa 2026 lasa teo no efa niparitaka ny resaka fa nosamborina teny Ivato ny loholona teo aloha Sylvain Rabetsaroana, saingy omaly no namafisin'ny fampahalalam-baovao samihafa ny fisamborana sy fampidirana am-ponja azy. Efa naraha-maso nanomboka io 14 martsa io fa tsy mbola nosamborina mivantana teny amin'ny fonenany teny Ivato na voalaza fa efa nisy andiana mpitandro filaminana aza tonga teny, ka omaly iany vao ofisialy fa tena nosamborina. Fikononkononana fanonganam-panjakana (Coup d'Etat ) no voalaza fa anton'ny nisamborana azy. Tao anatin'ny herinandro no efa niparitaka teny amin'ny filazana hoe: "voaporofo tamin'ny "enregistrements vocal" maro ny fanomanany fanonganam-panjakana ary fifandraisana an-tariby maro maro nifanaovan'izy ireo", saingy tsy mbola nisy tatitra sy fanamarinana ofisialy, izay heverina fa anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Naharitra ora maro ny fakan'ny fampanoavana am-bava azy omaly, avy eo nadoboka any Tsiafahy, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao. Voalaza fa mbola hisy ihany koa ny fisamborana ireo olona hafa voasaringotra aminy amin'io resaka fanongam-panjakana. Ny 30 oktobra 2025 moa no niseho tamin’ny fahitalavitra iray i Sylvain Rabetsaroana, ka tao anatin’izany no nilazany fa tratry ny fanafihana izy, ary lasa tamin’izany ny fitaovam-piadiana basy fihazana fampiasany. Tsiahivina fa mpandraharaha nalaza hatry ny ela i Sylvain Rabetsaroana, mpikatroka tao anatin'ny Antoko AVI sy ny MAPAR, isan'ireo olona akaiky na nifandray akaiky tamin'i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga. Efa kandida loholona lisitra faharoa teto Antananarivo, ary notendrena ho loholona ny martsa 2024 rehefa naongan'ny Fitondrana Rajoelina ny Filohan'ny Antenimierandoholona tamin'izany Herimanana Razafimahefa. Endrika maneho ny fisamborana azy fa somary mafampana ny toe-draharaha politika, ka ankoatra azy dia efa maromaro ireo olona ambony teo aloha any am-ponja : Rinah Rakotomanga, Richard Ravalomanana, Marie Michelle Sahondrarimalala,... ary mety mbola hisy hafa.
Toky R