airtel

Politique

27-juin-2023

Politique

Raharaha Iles Eparses Tena nofitahin-dRajoelina ny Malagasy

Sample post image

Ho tapitra ny 5 taona nitantanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa nijanona ho fampanantenana poakaty ny raharaha Iles Eparses. Tany anaty adihevitr’ireo kandida ho filoha roa tany

27-juin-2023

amin’ny taona 2018 dia tena nirarakopana ny fampanantenana fa tsy maintsy alaina ireo. Raha niteny i Marc Ravalomanana tamin’izany fa rehefa matanjaka ara-toerana isika vao tena afaka miady an’ireo, dia nilaza kosa i Andry Rajoelina fa tsy mila miandry an’izany. Nampanantenaina mihitsy aza fa tsy maintsy hisy vokany mialohan’ny 26 jona 2020 saingy mandrak’ity ny androany tsy misy vokany. Nentina nakana ny fon’ny vahoaka sy namitahana ny Malagasy tahaka ilay hoe : hanorina trano fonenana 50000 ao anatin’ny 5 taona ihany. Nireharehana sy nanaovana serasera goavana tany amin’ny volana may 2020, raha nanontanian’ny mpanao gazety Frantsay ny hoe : fitakiana ireo Nosy no atao fa tsy mila fiaraha-mitantana izany. Andro vitsy taorian’io, ny volana jona 2020 no nakany amin’ny Nosy Glorieuses ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nandranitra sy nilaza hoe : « ici c’est la France », saingy tsy nahitan-teny ny mpitondra. Fihetsiketsehana no betsaka tamin’ny fihetsik’ireo depiote IRD niara-nisotro CVO sy niredona hiram-pitolomana milaza fa miombona amin’ny Filoha amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy tamin’izany, saingy na lalàna iray aza tsy nipoitra momba an’ireo Nosy ireo, raha toa ka namoaka didim-panjakana manambara ny famadihana azy ireo ho tahiry ara-boajanahary i Lafrantsa. Firifiry ireo vondrona nanolotra volavolan-dalàna na tolo-dalàna mikasika ireo Nosy ireo tamin’ny parlemanta, fa moa nodinihina na nandaniana minitra vitsy akory ? Vao tamin’ity volana jona ity no nilaza ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla fa mbola hitohy ny dinika, saingy fampandriana adrisa no betsaka, tsy misy ho antenaina amin’izany, indrindra fa amin’izao Filoha vazaha taratasy mizaka zom-pirenena Frantsay no mitondra. Fanadalana saim-bahoaka sy lainga no betsaka fa ny vokatra poakaty, izay midika fa nataon-dRajoelina fakana vato tamin’ny fifidianana na “marketing politique” fotsiny ny momba ireo Nosy ireo, fa mbola nofy raha amin’izao fitantanany izao no hahazoana azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap