airtel

Politique

15-févr-2022

Politique

Raharaha Imbiki Voatonontonona ihany koa ny Minisitra Tinoka R

Sample post image

Niala iny ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza rehefa voatonontonona tamin’ny raharaha goavana mamofompofona kolikoly,

15-févr-2022

tratry ny karazana ampamoaka nisesy tao anatin’ny herinandro vitsy momba azy. Misafotofoto hatramin’ny raharaham-pirenena satria isan’ireo Minisitera dimy mariky ny fiandrianam-pirenena rahateo ny Fitsarana. Tsy misy afaka tena hilaza na marina na diso ireny rehetra ireny, fa ny fanadihadian’ny manam-pahefana sy ny fitsarana no tompon’ny teny farany araka ny lalàna, ary mbola mitoetra ihany koa mazava ho azy ny maha olona mbola tsy voaheloka sy tsy voatsara na “Présomption d’innocence”. Asa izay ho fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny mpitsara (CSM) momba ity Minisitra ity amin’ny maha mpitsara azy ? Mbola dingana lava kosa vao mety ho tonga any amin’ny Fitsarana avo (HCJ) izay mety hifampiankina amin’ny fanadihadian’ny Biraom-pirenena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) ary mbola mila tsodranon’ny depiote ny dosie izay vao afaka halefa HJC izay fahefam-pitsarana natao hitsara ireo olona ambony.
VOATONONA I TINOKA ROBERTO
Manao randra-tarihina ity raharaha ity satria manomboka mipitika any amin’ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto na « Toto » ny rihitra, misy manonona ny anarany. Ankoatra ny horonam-peo niparitaka, dia manomboka misy milaza fa nandray 400 tapitrisa Ar na 2 milliard fmg tamin’ny raharaha trafikana safira ana teratany Karana tratra teny Ivato ny 19 oktobra 2021 io Minisitra io. Tsy nisy minisitry ny harena an-kibon’ny tany intsony tamin’izany satria niala ny 18 aogositra 2021 Atoa Brice Randrianasolo, ka ny Praiminisitra no misolo azy vonjimaika hatramin’izao. Anjaran’ny voatonona ny mitondra fanazavana sy mandiso izany amin’ny fomba ofisialy, raha tsy mitombina, fa izay aloha ny karazana ampamoaka mandeha indray. Manomboka misy mitsikera noho ny fihazakazahan’ny fitomboan’ny hareny ao Toliara rahateo io Minisitra io, toy ny fihazakazahan’ny fanamboarana trano goavana amina miliara ka maro no miahiahy azy. Ity Minisitra ity izay tsiahivina fa namely mafy sy nitanisa ny voalaza fa fangoronan-karena nataon’ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solondrasana Olivier nandritra ny tolon’ny Depiote 73, ary nahavita nanao “ialahy” io Praiminisitra io mihitsy. Manomboka misy mitsingoloka ny tenany ankehitriny, izay tsipihina fa tsy voatery ho marina, saingy tokony hisokatra ny fanadihadiana. Hanara-dia an’Atoa Imbiki Herilaza ve Atoa Tinoka Roberto sa harovana satria mpitolona ? Hihetsika hanao fanadihadiana ve ny Bianco, ny Sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN sa ahoana ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap