airtel

Politique

22-sept-2021

Politique

Raharaha Lalatiana mivady Maro no tezitra ao anaty Fanjakana

Sample post image

Efa hatrany am-piandohana no nisy nametraka ahiahy sy nampitandrina amin’ny hanendrena an’I Andry Andriatongarivo eo amin’ny toerana stratejika sy saropady misy azy ankehitriny,

22-sept-2021

 dia maha Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny angovo. Mbola voatendry teo amin’izany toerana izany ihany anefa izy. Ny Filoha sy ny Praiminisitra no tompon’ny fanapahan-kevitra farany, ary tsy ny momba azy ihany, fa mpiasam-panjakana ambony maromaro no efa nanao fampitandremana, saingy mbola voatendry ihany. Mipoitra ny raharaha tsy mazava aty aoriana, fa mihazakazaka mamono afo? Sa ve ilay olona manondrana mihitsy no tiana homena fahefana? hoy ny fanamarihana avy amina olona ambony ao anaty Fanjakana ihany. Misy mihitsy ny fanamarihana avy amina olona ambony ao anaty Fitondrana maneho, fa efa notenenina sy nampitandremana mafy ny mpanendry saingy tsy noraharahiana ka dia io mipoitra io ny zava-drehetra. Tsy tena mahita hatao ny Fitondrana, kanefa miteraka fahafaham-baraka sy fahatezerana ho ana sokajin’olona samihafa ilay zava-miseho. Na ny ao anaty Fanjakana aza maro no tezitra eo anatrehan’ny fahafaham-baraka mirarakopana, mahatsiaro ho voahoso-potaka amin’ny hafitsoky ny manam-pahefana mamohehitra. Tsy misy firaisan-kiana na fiarovana avy amin’ny governemanta, zara raha misy fanambarana politika miaro,… Misy ny efa sahy maneho, fa izany olona ambony sy politisianina izany dia tokony ho fitaratra amin’ny fitondran-tena. Mitazona basy tsy tokony ho eny am-pelantanan’ny sivily, voatononona amina herisetra sy fanambanana basy olona maro,… saingy naman’ny vitavita ho azy hatreto fa ny basy fotsiny no voalaza fa nalaina. Mandeha ny fampitahana, fa ny mpitazona basy tsy ara-dalàna, voalaza fa nanapoaka basy sy nikasa hifofo ain’olona fa vitavita ho azy, fa ny politisianina naneho hevitra tamin’ny Facebook migadra 44 any Antanimora.
HOMENA ANDRAIKITRA ANY IVELANY ?
Mandeha ny feo amin’izao fotoana izao amin’ny mety hamindrana toerana ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina amina toerana ambony hafa any ivelan’I Madagasikara taorian’ny resabe momba azy ireo. Voalaza fa mety halefa ho Masoivohon’I Madagasikara any Washington. Hatreto, toa lasa anjorom-bala ny Minisitry ny serasera mivady, na miezaka maneho hery ara-politika aza. Misalasala amin’izy ireo ny Fanjakana ka ny hany mety ho vahaolana dia famindrana azy ireo tsy ho eto Madagasikara aloha, na koa mety fanilihana tsotr’izao. Efa misy anarana mandehandeha mety hapetraka ho minisitry ny serasera ihany koa amin’izao ka dia samy miandry izay ho tohiny ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap