airtel

Politique

28-mars-2023

Politique

Raharaha Lola Rasoamaharo Mampiahiahy, hoy ny mpanao gazety maromaro

Sample post image

Noho ny raharaha Lola Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de La Grande Ile, izay nosamborina sy naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo, nijoro ny Federasiona hiraisan'ny Fikambanan'ny mpanao gazety eto

28-mars-2023

Madagasikara na Fédération des Associations des Journalistes, raha ny fanambarana mpanao gazety maromaro nahitana an-dry Fidèle Razarapiera, Fernand Cello, Heninkaja Rakotomanantsoa, Gascar Fenosoa, Harifidy Ramanandraibe, Domoina Rasamoelson. Naneho ny ahiahiny izy ireo, ary nilaz afa manameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. Nanipika kosa fa tsy mitsabaka amin'ny raharaham-pitsarana izahay, fa anjaran'ny voakasik'izany na ny mpitory na ny toriana, sy ny mpisolovava azy ireo, no mitondra ny fiarova-tenan'izy ireo. Voalaza fa raharaha manokana tsy misy hidiran'ny asa fanaovan-gazety ny ambara fa fototry ny fitoriana azy, raha jerena indray mielatra, saingy rehefa tena fotorina akaiky sy lanjalanjaina daholo anefa, dia mampanahy ny zava-misy, hoy ireto mpanao gazety ireto. “Mifototra amin'ny mety ho fiatraikan'izao zava misy izao amin'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra eto amin'ny firenena ny ahiahinay. Ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra izay hita miharihary fa efa mihatery sy miha-sarotra hatrany. Manahy izahay fa misy dian-tanana politika ao ambadik'izao raharaha izao. Miendrika ramatahora sy fampihorohoroana, atao amin'izay mahasahy miteny ny zava -misy eto amin'ny firenena, ny zava-misy. Manahy izahay, sao dingana hirosoana any amin'ny fanakatonana, na fanapenam-bava ny orinasan-gazety ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Tranga izay midika ho fanasaziana ny olom-pirenena rehetra manan-jo hisitraka vaovao maro lafy”, hoy hatrany ny fanambaran’ity Fédération des Associations des Journalistes. Noho izany, nanambara fa manaramaso ary mijery akaiky ity raharaha ity izy ireo. Raha ny lahatsoratra navoakan’ny La Gazette omaly kosa dia nilaza tsy hilefitra izy ireo, ary naneho fa misy ambadika politika ny fanenjehana an’I Lola Rasoamaharo, ary Rtoa Victoire Brigitte Razaka dia nambaran’izy ireo fa misy mifandray amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina, izay isan’ny olom-panjakana tsikafonin’ny La Gazette matetika. Nilaza ihany koa io gazety io, fa tsy ny mpitondra ankehitriny ihany, fa ny mpitondra nifanesy nanao ny tsy mety no notsikerainy, naneho fa vao mainka hery ho azy ireo hanohizany izany izao raharaha Lola Rasoamaharo izao. Andrasana izany ny tohiny, fa raha zohiana dia tena raharaha avo lenta ity fifamelezana eo amin’ny roa tonta ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap