hoy ny fampitam-baovao azo avy any Nosy be . Raharaha miisa 2 samihafa fa notsaraina niaraka no nandeha. Ny iray dia fitoriana «réciproque» na fifanolanana teo amin’i Karany Assanaly sy ny fikambanana Zafinifotsy . Nisintona ny fitoriany noho ny fihavanana ny andaniny. Ilay raharaha faharoa kosa dia ny JIRAMA sy ny fanjakana no mpitory. Fandavana didim-pitsarana na «Ordonnance» sy fitarihana olona hikomy nandritry ny fandrodanana trano tany Daresalam no antony voalaza. Tamin’ny 5 ora maraina ireo olona ireo efa tany fa izaho tsy naharaka ny zava-misy satria mbola nanaovana fanohanana io toerana io, hoy i Ninie Donia. Azo arahi-maso amin’ny Telma fa tamin’ny 8 ora mahery aho vao naharaka nefa ny vahoaka efa tonga tany daholo, hoy izy raha nitondra fanazavana nanoloana ireo mpitsara ny 16 jona 2022 no nampidirina am-ponja i Ninie Donia sy ireo namany miisa 16. Nivoaka ny didim-pitsarana ary nanao fampakarana ny tenany ka nahazo fahafahana vonjy maika avy any amin’ny fampanoavana na «Cour d appel» tao Antsiranana ny 4 oktobra 2022 fa tsy neken’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Nosy be. Na dia tao anatin’ny tsy fahasalamana aza ity mpanakanto ity dia vao maika nomen’ny fitsarana ao Nosy be didy famonjana vaovao indray ny 5 Oktobra 2022 . Hivoaka anio talata 25 Aprily 2023 ny didy mikasika ilay fandavana didim-pitsarana sy fitaomana olona hikomy tamin’ilay fandrodanana trano tao Daresalam, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby