airtel

Politique

13-mars-2024

Raharaham-pifidianana depiote

Niroso tamin’ny fampiofanana ireo OVEC ny CENI

Sample post image

Niroso tamin’ny fampiofanana ireo mpikambana anatin’ny rafitra mpanamarina

13-mars-2024

sy mpirakitra ny filatsahan-kofidiana na ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des candidatures) ho an’ny Faritra Analamanga ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI omaly, izay maharitra 2 andro. Miompana amin’ny fikirakirana ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey 2024 ho avy izao io. Dingana iray lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana ny fampiofanana, ka ny mpikamban’ny CED, ny mpitsara, ireo solontenam-panjakana, ka ny tanjona dia ny hahafahana mampita ireo soatoavina toy ny fanajana sy fifehezana ny didy aman-dalàna, ny fahamarinana, ny tsy fitanilana amin’ny kandida,… raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo. Ny OVEC eto amin’ny Faritra Analamanga no nanombohana izany, fa mbola hiitatra any amin’ny faritra, raha ny fanamarihana. Nampafantarina ihany koa ny andraikitra maha solontenan’ny ARNRCM (Autorité Nationale de Régulation des communications mediatisées) an’ireo OVEC, izay miompana betsaka amin’ny fandrindrana ny fidiran’ny kandida amin’ny haino vaky jery, ary teo ihany koa mazava ho azy ny pitsopîtsony fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap