airtel

Politique

28-juil-2021

Politique

Raharaham-pirenena Hanambara ny heviny i Alain Ramaroson

Sample post image

Anisan’ny olona andrasan’ny maro, indrindra taorian’ny zava-nisy sy nitranga teto amin’ny firenena Atoa Alain Ramaroson manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

28-juil-2021

 Hivoaka amin’ny fahanginana ny tenany ary hiteny amin’izay ka anisan’ny tena horesahiny ny fifofona ny ain’ny filoham-pirenena izay mbola miteraka resabe eto amin’ny tany sy ny firenena, ny resa-politika, ny sosialy ary ny toe-karena. Hanentana ny fandaharana mandritra izany ny mpanao gazety Herilala Andrianaivo sy caporal Bob. Ny fikambanana HAFARI Malagasy sy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA, tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina no hikarakara izany ao anatin’ilay fandaharana fiaraha-mponina sy ny tontolony izay ho hitantsika ao amin’ny vata fahitalavitra Ma TV anio Alarobia hariva manomboka amin’ny 06 ora. Tanjon’ny fandaharana ny tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy manoloana ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Toraka izany koa ny mba hahafahana mampahafantatra ny tsirairay ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona eto amintsika hahafahan’ny vahoaka mijery ny tena zava-misy marina. Andrasana araka izany izay fanehoan-kevitr’Atoa Alain Ramaroson mandritra ity fandaharana izay hivanihanany ao amin’ny vata fahitalavitra Ma TV anio Alarobia hariva ity.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap