airtel

Politique

17-mars-2023

Politique

Raharaham-pirenena Mamofompofona tetezamita ny resaky ny FFKM

Sample post image

Hisy ny fihaonamben’ireo solontenan’ny FFKM na Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara miisa 35 manerana ny nosy ny 29, 30, 31 martsa izao, raha ny fampitam-baovao voaray.

17-mars-2023

Araka ny nambaran’ny Vondrona politika hafa miray na VPHM, izay nilaza fa nanontany ny voatoatin’io fihaonambe io tamin’izy ireo farany teo, dia tsy mbola manana heritreritra ny hamory mpanao politika hatreto ny FFKM. Nilaza kosa izy ireo fa miheritreritra ny hisantatra ny fikaonandoham-pirenena amin’ny fikaonandoham-paritra amin’ny volana aogositra izao. Rehefa jerena ny kisarisary rehetra, 4 na 5 volana mialohan’ny fotoana tokony hametrahan’ny filoham-pirenena am-perinasa fialana, raha mbola hilatsaka ho fidiana amin’ny taom-piasana manaraka, dia hita ho mamofompofona kajina tetezamita. Resaka fanadiovana ny tontolom-pifidianana hatreto no voizin’ireo herivelona maro fa tokony hanaovana izay fikaonandoha izay ankoatran’ny resaka fanorenana ifotony ny firenena. Iza intsony anefa izany no handray ny fehin-kevitra na volavolan-dalampanorenana vaovao eo rehefa rava ny rafitra aorian’ny fametram-pialan’ny filoham-pirenena? Mazava ho azy fa hiitatra ny fotoana fampandehanan-draharaha mandra-pahitan’ireo herivelona politika ny marimaritra iraisana amin’izay lalana vaovao tokony hizoran’ny firenena izay. Midika inona daholo itony fitsipaham-pitokisana sy resaka fangatahana fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany amin’izao itony? Samy manaraka akaiky ny rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap