airtel

Politique

14-août-2023

Politique

Raharaham-pirenena Manomboka mitsoka ny rivo-baovao

Sample post image

Mila rivo-baovao isika fa sempotry ny fifankahalana ara-politika, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, nandritry ny kaongresin’ny antoko politika Tia Tanindrazana tao Fianarantsoa,

14-août-2023

izay notronoin’ny vovonana politika Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ary niara-nanolotra ny tenany tamin’ny fomba ofisialy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 atao ny 9 novambra izao. Vonona ho kandida aho ary tsy maintsy miroso isika, hoy moa ny tenany, na dia eo aza ny sakantsakana samihafa toy izay nitranga tamin’iny andron’ny 11 aogositra ka nampiova in-3 ny toerana nanatontosana ny kaongresy iny. Voatery noferana ny isan’ny olona nanatrika. Vahoaka maro no tsy tafiditra tao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray, ary vahoaka maro koa araka izany no efa te hiroso amina lalam-baovao indray hanavotana ity Madagasikara ity. Mitsoka ny rivo-baovao. Rivotry ny firaisankina sy fihavanana lavitry ny fifanandrinana politika sy ny fifankahalan’ny mpiray tanindrazana aterak’izany. Tsy mahay mifamelona intsony ny fiarahamonina, hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Zafimahaleo Rasolofondraosolo na Dama. Lasa mifanambaka sy maika hifaninana. Fifanampiana no antoky ny fahombiazana fa tsy fifaninanana, hoy kosa ny kandida Tahina Razafinjoelina. Zava-dehibe ny firaisankina, hoy izy, satria miaraka vao mandresy fa tsy misy hoe mandresy vao miaraka ary aza miandry fanovana fa isika no aoka ho fanovana.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap