mbola baraingo sy tsy marin-toerana ny resaka tetibolam-pifidianana ho an’ny taona 2023, raha tarafina amin’ny zava-misy ara-politika, ara-drafitra, ny lalàna, ny hoenti-manana ara-bola,… Na ny vaomieram-pifidianana aza toa tsy rototra amin’ny resaka tetibola hoenti-manatanteraka ny fifidianana raha tarafina amin’ny fanehoan-kevitry ny mpampaka-tenin’ny CENI tamin’ny haino aman-jery ny fiandohan’ity herinandro ity. Mbola tsy laharam-pahamehana ho an’ny CENI ny famaritana izay ho tetibolan’ny fifidianana amin’ny 2023. "Na izahay eto anivon’ny CENI aza mbola tsy mieritreritra mihintsy ny amin’ny hoe tetibola ho enti-miatrika ny fifidianana satria na ny fifidianana ho atao aza mbola tsy hitanay hoe iza no hanao. Ny azo antoka fotsiny dia ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny taona 2023 io satria ny lalam-panorenana no mamaritra ilay tetiandro momba ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika noho ny lalam-panorenana mamaritra hoe 2 volana mialohan’ny fahataperan’ny fotoam-piasana no izao,... Misy fepetra takian’ny lalàmpanorenana. Dikan’izay rehefa jerena izay fepetra izay dia tsy maintsy miatrika fifidianana filoham-pirenena isika amin’ny taona 2023”, hoy Atoa Soava Andriamatotafika Mpampaka-tenin’ny CENI. Ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena handinihana ny tetibolam-panjakana 2023 anefa hanomboka afaka tapa-bolana eo kanefa ny CENI milaza fa tsy nandinika ny tetibola. Raha miverina amin’ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin tamin’ny 23 aogositra momba ny hoenti-manana ara-bola amin’ny fifidianana, dia maneho ny Fanjakana fa manam-bola ary voasoratra amin’ny tetibolam-panjakana ny hoenti-manatanteraka izany. Isan’ny noresahany ny hoenti-manana ara-bola hanatanterahana io fanavaozana ny lisi-pifidianana io. Tetsy andaniny anefa, naneho fa tsy mahasakana amin’ny fifandresen-dahatra amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola izany, ary efa mandeha io. Tena misy vola sa sora-bola fotsiny.
FEPETRAN’NY VAHINY, TSINDRY POLITIKA
Na milaza aza ny Fanjakana fa manam-bola, mbola miankin-doha amin’ny vahiny isika amin’io. Ireny niaraha-naheno ireny ny fanambaran’ny Vondrona Eorpeanina fa mila tanterahana ny toromarika nataony niainga tamin’ny fifidianana 2018, toy ny resaka lalàna, famerana ny vola ampiasain’ny kandida,… Naneho ihany koa fa miahiahy ny fifidianana ny olona noho ny Filohan’ny CENI sy HCC izay voalaza fa akaiky ny Filoha am-perin’asa izay toa nanome vahana ny mpanohitra. Nilaza mazava fa tsy mbola voafaritra ny tetibola hoentin’ny Eoropeanina fa miankina amin’ny fanatanterahana ny fanintsiana nangatahany. Ny tontolo politika anatiny mbola tsy milamina, ka mandeha ny fitakiana fikaonandoham-pirenena, fanovana ny endriky ny CENI sy HCC,… Raha zohiana amin’ireny sy ny fizirizirian’ny mpitondra, tena ho tratra 2023 ve ny fifidianana sa alefa fahoany fahoany? Inona no ho vokany? Ny fihazakazahana aminy tsy misy lamina politika mazava, dia mety hiteraka krizy hafa. Ny fihemorany dia tombony ihany ho an’ny mpitondra satria hitombo ny fotoana hinonoana ao anaty fitondrana. Sao dia iniana kotrehina mihitsy ny fanemorana? Inona izany no mety hiseho ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby