airtel

Politique

01-sept-2023

Raharaham-pirenena

Miantso fifampiresahana ny FFKM

Sample post image

Tontosa tao anatin’ny telo andro, ka nifarana omaly 31 aogositra ny fihaonambe nasionaly notanterahan’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara),

01-sept-2023

nomena ny lohahevitra “Fiangonana manorina sy mamboly”. Nandinihana ny raharaha anatiny nanamafisana ny firaisam-pinoana sy nandraisana ihany koa ireo herivelona politika samihafa niresahana ny raharaham-pirenena. Nisy noho izany ny hafatra sy fanambarana nataon’ny FFKM omaly, izay naneho fa nohamafisina sy nomena aina vaovao indray ny Eokiminisma eo anivon’io rafitra iraisan’ny fiangonana io araka ilay hoe: “mba ho iray ihany anie izy rehetra”. Nentanina samy hiara-miezaka amin’izany ny mpitondra fivavahana sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, samy ezahana amin’izany ny lafiny samihafa toy ny: fiombonam-bavaka, fanamafisana ny andrimaso FFKM hatrany amin’ny fototra, ny asa hita maso fijoroana ho vavolombelona, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny Eokiminisma. Momba ny raharaham-pirenena kosa, nanamafy ny FFKM fa tonga nandray anjara ny ankolafin-kery samihafa, ka teo ny tolokevitra marolafy momba ny fanarenana ny fiainam-pirenena, andaniny. Ankilany, dia voaresaka manokana ny momba ny fifidianana. Noho izany, teo ireo vonona ny hiroso avy hatrany amin’izany, teo ireo nihevitra fa tsy fifidianana mihitsy no hampandroso an’I Madagasikara. Misy ireo resy lahatra fa ilaina ny fifidianana saingy tokony hatao aloha ny fandaminana mba ho feno ny fepetra hisian’ny fifidianana madio mandraharaha, ary eken’ny rehetra. Jerena amin’izany ohatra ny lalàm-pifidianana, ny lisi-pifidianana, ny rafitra mitantana ny fifidianana. Teo ihany koa, hoy hatrany ny FFKM, ireo mihevitra fa ilaina ny hisian’ny fitondrana manokana handamina tsara io fifidianana io. Tsy tena mbola nisy noho izany ny fehin-kevitra na fanapahan-kevitra, fa naneho ny tokony hisian’ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana ity rafitra ara-pinoana ity. Manoloana izany rehetra izany, “mahatsapa ny FFKM fa, ilaina ny mbola hirosoana amin’ny fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana vahaolana Malagasy, amin’ny alalan’ny olantsika samy Malagasy, ho fisorohana ny ady an-trano sy ny korontana. Maneho ny fahavonany ny FFKM amin’ny fitarihana izany fifampidinihana izany”, hoy ny FFKM. Manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny eo anivon’ny haino aman-jery, ny mpisehatra eo anivon’ny antoko sy ny firehana politika, mpitondra eo amin’ny sehatra samihafa, hahay hifanaja amin’ny fomba fanehoana hevitra, mba ho fitandroana ny fandriampahalemana ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena noho izany ity”, hoy hatrany ny FFKM izay niantso ny rehetra hitondra am-bavaka ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap