airtel

Politique

09-oct-2023

Raharaham-pirenena

Miha mahazo vahana ny tolona

Sample post image

Andro fahadimin’ny tolona tarihin’ny tolon’ny kandida ny sabotsy teo niainga teny Ankazomanga.

09-oct-2023

Tsapa sy tsikaritra fa miha mahazo vahana ary mitombo hery hatrany ny tolona na teo aza ny fandemen-tsaina sy herisetra niseho tamin’ny heriny maro: fisamborana, famotehana fananana tahaka ny fiaran’ny kandida Siteny izay ny sabotsy teo izao dia nisy nitifitra tamin’ny “bombe sale” ankoatra ireo herisetra samihafa efa nandeha. Tsy mahasakana ireo kandida izay manamafy ny firaisan-kinany izany, ary mitombo hatrany ihany koa ireo vahoaka resy lahatra fa ilaina ny mandray an-tànana ny hoavin’ny firenena. Arakaraka ny hampiasana ny herisetra sy famoretana no toa vao mainka mampiakatra ny hambom-pon’ny olona satria tena latsaka anaty lavaky ny kajy maloto ara-politika miteraka krizy sy fahantrana lalina ny firenena, ary tena miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Manomboka tafiditra any an-tsain’ny olom-pirenena ny hoe: ny fahanginan’ny olo-marina no manome vahana ny fanjakan’ny ratsy. Raha jerena ny tao anatin’ny herinandro nisian’ny tolona izay, raha tarafina amin’ny hoe: andro andavanandro izay iasana, niainga alatsinainy hatramin’ny zoma, fa sabotsy no hany mety ahafahan’ny sarambabem-bahoaka mandray anjara, dia tsy arakaraka izay fa tena nitombo hery hatrany hatrany. Miakatra hatrany ny tsindry politika hitakiana ny fanadiovana ny fifidianana, hitakiana ny fanajana ny fiandrianam-pirenena, fanajana ny fanjakana tsara tantana, fitakiana ny fitoviana lentan’ny rehetra, fampitsaharana ny setrasetra politika,…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap