airtel

Politique

13-oct-2023

Politique

Raharaham-pirenena Mihalalina ny krizin’andrim-panjakana

Sample post image

Nanomboka tany amin’ny resaka fitsipaham-pitokisana na “motion de censure”

13-oct-2023

nataon’ireo depiote tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian saingy nofoanana tampoka foana tsy fantatra mazava hoe fa nahoana? Iny indray izao farany teo ny filohan’ny antenimiera roa tonta mihitsy dia ny an’ny antenimieram-pirenenan-doholona sy antenimieram-pirenena no niara-naneho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny herisetra ataon’ny fitondrana mijoro ankehitriny amin’ny vahoaka malagasy na koa hoe tsy ekena ny fifandonan’ny samy malagasy. Ny filohan’ny antenimieran-doholona moa dia nivaky mihitsy fa noterena handà ny fahefana tokony noraisiny izy ny 8 septambra teo dia ny maha filoham-pirenena mpisolo toerana ary dia norahonana ho faty mihitsy. Ankehitriny dia niverina tamin’ny teny nomeny ity filohan’ny antenimieran-doholona ary dia iny nanatatra taratasy fangatahana teny amin’ny HCC mba handraisany indray ny toerana maha filoham-pirenena vonjimaika izay. Naongan’ireo maro an’isa tao amin’ny lapa maitso moa izy omaly. Ara-dalàna ve sa tsia ny fomba nanonganana azy? Adihevitra vaovao hipetraka toy ny andininy faha 42 mikasika ny sata momba ny zom-pirenena izay hanilihan’ireo kandida miisa 11 sy ny mpanaradia azy ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, ho tsy tokony hirotsaka filoham-pirenena intsony izay satria hoe nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy ary nanao famadihan-tanindrazana ambony na “haute trahison de l’Etat” raha naka zom-pirenena frantsay nandritry ny fotoana nitantanany ny tetezamita 2009-2013. Zom-pirenena frantsay izay nisitrahany nanomboka ny taona 2014. Tsikaritra ho miha lalina, araka izany, ny krizina andrim-panjakana amin’ity raharaham-pirenena eto Madagasikara ity satria dia tsy nijanona teo anivon’ny antenimieram-pirenena ihany fa io manomboka miitatra amin’ny antenimieran-doholona ihany koa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap