airtel

Politique

13-nov-2023

Raharaham-pirenena

Mitohy hatrany ny tolona !

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ity herinandro diavintsika ity ny 16 novambra kasaina hanaovana fifidianana amboletra.

13-nov-2023

Miziriziry tsy te hahalala izay dinika fandaminana sy fehin-kevitra hanemorana izany mba handaminana ny kianja politika, fa indrindra manao tsinontsinona ny tolom-bahoaka ny fitondrana, ka mampiteny ny basy aman-tafondro hampanekena izany. Na izany aza, mitohy ny tolona ho an’ity anio ity, raha ny toromarika. Hizara roa izany, ka hisy ny hotarihin’ny Firaisankinan’ny kandida izay eny Antaninkatsaka Itaosy no fotoana nomen’izy ireo ny vahoaka hanohizana sy hanamafisana ny tolona. Hisy ihany koa ny hetsika am-pilaminana rahampitso manomboka amin’ny 10 ora maraina eny Anosy, izay tarihin’ireo ao anatin’ny Hetsika Fotsy. Mifampitantana daholo ny olona rehetra manao akanjo fotsy, manodidina ny lac Anosy, tsy manakana fifamoivoizana izany, tsy manao fihantsiana,… fa maneho ny tsy fankatoavana Fifidianana maloto sy feno halatra (chaîne de contestation), firaisam-po amin'ireo mpitolona maratra sy voasambotra ary voafonja (chaîne de solidarité), hoy ny toromarika. Raha toa ka mihoatra ny isan'ny olona (ampoizina), dia manodidina ny Kianjan'ny Mahamasina no hanohizana azy. Ny COLLECTIF des CANDIDATS dia hanohana tanteraka io Hetsika fotsy io, ary entanina hanao an'io koa ny any amin’ny Faritany, hoy ny fanentanana. Samy miandry izay ho fisehony anio izany ny rehetra, fa raha jerena amin’ny lafiny fotoana, dia mety hafampana ity herinandro ity satria andaniny ny mpitondra Fanjakana dia miezaka mafy mamoritra sy mandrava ary tena mampiasa hery mba hampanginana sy hisakanana ny vahoaka izay tsy mankasitraka ny fifidianana amboletra, tsy azo antoka, tsy eken’ny rehetra,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap