airtel

Politique

23-sept-2022

Politique

Raharaham-pirenena sy fifidianana Mihetsiketsika ny antoko HVM

Sample post image

Akaiky ny fifidianana, raikitra ny fidirana ara-politika ny HVM, ka haneho izany etsy amin’ny Foiben-toerany etsy Andraharo rahampitso sabotsy 24 septambra 2022, amin’ny 9ora ka hatramin’ny 1ora tolakandro.

23-sept-2022

Miomana tahaka ny rehetra, mametraka paikady, ary nanambara fa handray anjara feno amin’ny fifidianana rehetra, ary tsy hafeninay izany, hoy ny Atoa Rivo Rakotovao Mpandrindra Nasionaly. Eo ny fampahalalana bebe kokoa ny antoko, ny arak’olona, ara-kevitra, ny zava-bita, ny vina hoentiny satria akaiky ny fifidianana, fa hanamarika ny rahampitso ihany koa ny famelabelaran-kevitra avy amin’ny sokajin’olona samihafa ataona manam-pahaizana manokana momba ny toekarena, manam-pahaizana momba ny fiarahamonina sady mpanao gazety, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena,... Haneho ny fahitany ny raharaham-pirenena ihany koa ny HVM. Taorian’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoha tsy nahatafakatra azy, dia nisafidy ny tsy hanohana kandida. “Na iza na iza lany teo dia niditra tamin’ny fanoherana, fa niankina kokoa amin’izay lany teo sy ny fomba fitantanany, tsy ilay olona akory no tsy tiana”, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Naneho anefa fa mihaino ny hafa amin’ny resaka fifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny tontolo politika, fifidianana, fiarahamonina eto amin’ny firenena,... Afa natsidiky ny HVM omaly fa mijanona ao anatin’ny fomba fijery niarahana tamin’ny RMDM, PANORAMA,… amin’ny filazana fa mila fijerena ny mikasika ny fifidianana tahaka io CENI io, fa tsy hoentin’ny Fanjakana na ny CENI any sady tsy mihaino no tsy miresaka fa ny ataony ihany no tohizany. Nanamafy ny Sekretera Jeneraly Nasionalin’ny HVM Atoa Alain Désiré Rasambany fa atokan’ny HVM manokana hisantarana ny raharaham-pirenena io, ary miezaka misokatra, nanasa olona maro toy ny filohan’antoko, filohana fikambabanana izay mitovitovy fomba fijery, ho avy ihany koa ny solontena avy any amin’ny faritra. Hampiranty ihany koa ireo zava-bita, nampisongadina ny antoko tao anatin’ny 9 taona, dia ny 5 taona nitondrana sy ny 4 taona nanoherana, ny filomanosana tao anatin’ny raharaham-pirenena,... Hisy tranoheva manokana ho an’ireo te hanatevin-daharana ny Antoko HVM.
Toky R

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap