airtel

Politique

04-juil-2022

Politique

Raharinaivo Andrianatoandro “Tokony hiova fijery sy famindra ny TIM”

Sample post image

Isan’ireo nanamarika ny Antoko TIM, niara-nanangana io antoko io niaraka tamin’i Marc Ravalomanana tany amin’ny 20 taona lasa Atoa Raharinaivo Andrianatoandro.

04-juil-2022

“Fotoana izao tokony hijerena kokoa ny ampitso. Ny lasa aleo homba ny lasa, marina fa tsy tamin’ny rariny ny nanesorana ny Filoha Ravalomanana teo amin’ny toerany, kanefa izay no izay. Izaho tsy miteny hoe: ekena, fa enga anie izany ho lasa fanohitra hiatrehana ny ampitso, betsaka ny zavatra miandry, mamay ny toe-draharaha amin’izao, ary tokony hiomana amin’izany ny antoko Tiako i Madagasikara, raha tiantsika ny hahalany ny kandida natoralintsika, dia ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy hatrany ity Filohan’ny TIM teo aloha ity. Aminy, tokony hiova famindra, tokony hiova fijery izay adika amin’ny teny Frantsay ny hoe: “changer de paradigme” ny TIM, izany hoe: jerena ny antony tsy nampandroso? Jerena ny vina ary samy nanao ny mpitondra rehetra nifandimby, lainga raha hilaza hoe: tsy nanana vina sy finiavana hampanjary ny fiaianan’ny Malagasy ny filoha izay nifandimby fa kanefa fa tsy nisy nahomby. Anjarantsika Tiako i Madagasikara no mametraka “base” na fototra vaovao amin’ny fomba fijery vaovao hoe: inona no nahatonga izany amin’ny alalan’ny programa tsara ananantsika izay hojerentsika amin’ny lafiny politika, hoy Raharinaivo Andrianatoandro. Toy ny efa nambarany sy nanehoany hevitra ara-politika voalohany taorian’ny fahanginany nandrindra ny fivahinianany tao amin’ny Top Radio FM 102.8 ny herinandro teo, somary tamin’ny alalan’ny vazivazy no nilazany tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro mikasika ny fiovan’endrika eo aminy izay nanalava volo. Milaza fa tafintohina ianao mahita ny voloko fa moa mba tafintohina ianao amin’izao fomba fitantanana feno kolikoly, fanondranana harem-pirenena sy volamena izao,…? hoy ity mpanao politika ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap