airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Rajoelina any Maraoka “Hafainganina ny fametrahana Masoivoho eto”

Sample post image

Nigadona tany Casablanca maroc ny talata teo, mandray anjara amin'ny Choiseul Africa Business Forum fihaonana iraisam-pirenena hifampizarana amin'ireo mpitondra fanjakana sy lehibena orinasa ary mpiara-miombon'antoka

20-oct-2022

maherin'ny 300. Fahiny manokana moa I Andry Rajoelina, araka ny seraseran’ny mpitondra. Omaly, nisy ny fihaonan’ny Filoha mivady tamin'ireo diaspora malagasy monina any Maroc. Ho famaliana ny hetahetan'ireo Diaspora, nambara fa hafainganina ary hapetraka tsy ho ela ny masoivohon'i Madagasikara any Maroc, hanamora ny fikirakirana sy fahazoana ireo taratasim-panjakana toy ny pasipaoro izay ilain'izy ireo any an-toerana. Nohamafisin'ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpianatra maniry ny hody eto an-tanindrazana ihany koa ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ny fampodiana azy ireo, izay efa tapaka tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitra. Tsy adinon-dRajoelina ny niresaka ny andinindininy amin'ny vinan'ny Fitondram-panjakana izay mandrafitra ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Nambara fa efa maro ireo tetikasa no efa an-dalam-panatanterahana eo amin'ny sehatra samihafa toy ny fananganana fotodrafitrasa, ny fanajariana ireo lalam-pirenena, ny fampiroboroboana ny indostria manerana ny Nosy, ny fampitomboana ny famokarana angovo, ny fanamboarana ny lalana migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana indrindra eo amin'ny sehatry ny fizahantany. Ilay PEM amin’io vao hampahafantarina amin’ny 28-30 oktobra izao, rehefa tsy nety teraka tao anatin’ny roa taona latsaka. Mbola baraingo ny hoenti-manana fa vao manao pi-maso samihafa any ivelany, kanefa ny diplaomasia Malagasy mitotongana ambony ambany. Rehefa miresaka any ivelany anefa, tahaka ny hoe: manga tsy misy tomika ny lanitra, mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap