airtel

Politique

06-oct-2021

Politique

Rajoelina nitsena ombivavy Tena resy lahatra amin’ny programan-dRavalo

Sample post image

Nigadona omaly tolakandro teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ombivavy beronono 165 karazany « monbeliard »

06-oct-2021

 niainga avy taany amin’ny sisin-tany manasaraka an’i France sy Suisse. Ny Filoha Rajoelina mihitsy niaraka tamina delegasionina mafonja no nitsena izany, izay sambany no nisy Filoha nitsena omby izany. “25 hatramin’ny 30 litatra isan’andro ny ronono vokariny, raha toa ka 15L isan’andro ny an’ireo ao ao amin’ny FIFAMANOR Antsirabe amin’izao. Raha tsara karakara dia mety hatrany amin’ny 40 litatra”, hoy ny Filoha. Efa nandeha tany Atsimo nametraka kavin’omby ahafahana mijery ny mombamomba, ary izao indray dia hahazo vokatra tsara kokoa, ireo ankizy, ireo tanora, tantsaha nahazo ny “titre vert”, izay hisitraka izany voalohany, raha ny nambaran’I Andry Rajoelina. Mbola hisy andiany sy ampahany goavam-be, ary hanafatra vary, omby, masom-boly,… hoy izy. Mbola hanafatra omby mety sambo iray na sambo roa, hijery ny “race” mifandraika amin’ny filànan’ny tantsaha. 1000 mahery any ny sambo iray, ary hanafatra sambo maromaro raha ny nambaran’ity Filoha ity. Nambara fa alefa any Antsirabe any amin’ny FIFAMANOR ireto omby ireto, hatoka-monina 40 andro aloha. Ambaran’ny Fanjakana ny fanantenana hiakaran’ny fihinanan’ny Malagasy ronono ho 10%, ka raha 5-7kg isan-taona, dia ho lasa 6-8kg.
MANAIKY FA MAHOMBY NY AN-DRAVALO
Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: ao Antsirabe no handefasana azy? Any an-toerana izay misy ny orinasan’asan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay misehatra amin’ny fanodidina ronono. Nambara fa mba ho fanatanterahana ny tetikasan'ny Filoham-pirenena hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara. Tetikasa efa fanao tamin'ny fitondrana Ravalomanana ny toy izao, saingy noharatsiana, kanefa miaiky ihany efa ho 20 taona aty aoriana fa ilaina. Nisy tamin’izany ny fanafarana omby « holstein » avy any Norvège, nentina nanatsarana ny seha-pihariana ronono ho an’ny tantsaha. Resy lahatra ihany ny Fitondrana Rajoelina fa mahomby sy tsara ny vina nentin’I Marc Ravalomanana. Tsy ny resaka fihariana omby ihany io fa eo ihany koa ny làlana izay nolazaina tany aloha hoe: “làlana angaha azo hoanina?”. 20 taona aty aoriana isika vao hanenjika ny fahatarana, izao vao resy lahatra fa hay mety ihany ilay programa nenjehina sy nopotehina taloha,… Ary sao mba tokony haverina ihany koa ny “Vitrine de Madagascar” eny Iavoloha amin’ny tontolon’ny fiompiana sy fambolena izay mila haparitaka manerana ny Nosy ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap