airtel

Politique

13-mai-2022

Politique

Rajoelina sy ny ekipany 13 taona nampitombo ny fahantran’ny Malagasy

Sample post image

Ny afokasoka 1 boaty avy no efa 500 ariary eny amina faritra maro amin'izao fotoana. Tsy fahita hatramin'izay fa mitranga amin'izao ny hoe misy olona mividy tsaramaso na voanjobory lena amin’ny kapoaka dia 800 hatramin'ny 1000 ariary ny kapoakan'ireo eny an-tsena.

13-mai-2022

Rehefa tsy ampy ny vola am-pelatanana dia tsy maintsy ny zavatra jifaina no ahena isan-tokantrano. Voakasik'io ny sakafo sy saran-dalana. Voatery mandeha an-tongotra misy fotoana. Maro ireo tsy mahaloa hofan-trano sy saram-pianarana araka ny tokony ho izy, mazava ho azy, fa voaroaka. Tsy vita intsony ny mitsabo tena, misy fanafody tsy taka-bidy, maro ny olona malaina hiditra hopitaly na dia efa izay aza no toromariky ny dokotera satria tsy manam-bola. Ny aza mba marary ihany fa tonga dia maty, hoy ny resaka any anaty fiarahamonina any.
TSY ARAKY NY NAMPANANTENAINA
Efa tena mihatra amin'ny ati-vilany sy miditra any an-tsoso-koditra ny fahantrana, tsy arakarak'ireny fampanantenana tamin'ny propagandy 2018 ireny. Etsy ankilan'izay anefa dia mieboebo ireo manam-pahefana fa hoe mahavita azy. Tsy mampiombona fa mampisaraka sy manambany ny mpitondra mialoha azy ireo fanambaran'ny filoha izay toa te hisora-tena hoe izy ihany no tena nahavita asa misongadina teto. Mahery fiteny ireo mpanao politika milaza ho mpanaradia ny filoham-pirenena. Manamaivana ilay fahasahiranam-bahoaka. Na ireo nifidy ny filoha aza dia misy iharan'ny antsojay ary tena velon-taraina. Miara-mahita ny maro fa manjavozavo ny resaka fitantanana eto. Vola efa ho 1 miliara dolara no azo tamin'ny ady atao amin'ny Covid 19 sy ny fiatrehana izany. Mampiahiahy ny fitsinjarana fanampiana. Maro no nahatsiaro ho niharan'ny tsy rariny. Olona manana fiara 4x4 pick up efa iaraha-mahalala eo an-tanana indray no mbola mahazo vary tsinjo, hoy ny fitarainan’ny mponina amina fokontany sasany. Mampalahelo ary mahatezitra ny fiarahamonina izany. Ny fiovaovana governemanta efa ho in'efatra tao anaty 3 taona dia toa manaporofo fa tsy nanana ekipa hitantana ny firenena i Andry Rajoelina hatrany am-boalohany fa tsy arak'ilay vavany hoe efa vonona ny zava-drehetra na famatsiam-bola, na tetikasa, na ireo mpiara-miasa. Isan'ny mahatsikaiky ny olona ary efa teha hihomehezana sisa dia mbola Marc Ravalomanana efa tsy filoham-pirenena intsony nanomboka ny taona 2009 no mbola henjehina sy hanalana vokona ary hanilihana ny rihitra isaky ny mihetsika. Maninona raha mba mijoro ho tena tompon’andraikitra?
TSY MAHAVITA AZY
Ahoana no hahatokisana moa rehefa fantatra hoe vadina minisitra anaty governemanta no filohan'ny CENI hikarakara fifidianana. Vadina mpiasa eo anivon'ny prezidansa ny mpikambana iray ao amin'ny HCC. Tsy mety tafavoaka ny diplaomasia malagasy. Tsy maharesy lahatra ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola i Madagasikara. Tohana ara-tsosialy sy tosika ho an'ny tetibolam-panjakana hampandehanan-draharaha no betsaka. Miampy fanampiana rehefa loza voajanahary fa tsy misy famatsiam-bola goavambe izany, tahaka izay nataon’ny firenena frantsay farany teo. Tsy mihoatra ny 500 tapitrisa dolara isan-taona. Izany rehetra izany ve tsy efa fambara mazava fa tsy vitan'i Andry Rajoelina sy ny Mapar ny mitantana ny firenena sy mampandroso azy? Anaty ady amin'ny fahantrana mbola sempotra i Madagasikara, manjavozavo anefa ilay “iny lalana iny” natao litania tamin'ny 2009. Anaty tonelina maizina hatrany. “Tsy izy intsony io”, “tsy mahavita azy ireo ..”, izany no antsoantso re etsy sy eroa. Sarotra ny mino fa hoe mbola hahavita fahagagana i Rajoelina sy ny Mapar, hoy ny faim-pianakana iray naneho hevitra satria efa nanomboka 2009 ireo no nahazo fahefana. Voasokajy ho iray tarika tamin'ny tetezamita TGV ihany ny fototry ny fitondrana HVM. 2022 isika izao. Moa tsy efa 13 taona izany? Toa miha mahantra ihany anefa ny Malagasy? Mahatofoka ny ankamaroan'ny malagasy na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra ilay zava-misy iainany ka mahatonga azy tsy hahatoky intsony. Izany hoe raha fehezina dia izay vao nisy izay harinkarena miiba na -7,1% izany ary 13 taona koa izany izay ny fitondrana Rajoelina no nampitombo ny fahantran’ny Malagasy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap