airtel

Politique

16-mai-2022

Politique

Rajoelina sy ny ekipany Mitady hanao amboletra ‘’1er tour dia vita!”

Sample post image

Efa tany amin’ny volana martsa tany no tsikaritra ho nanomboka nanaparitaka tsimoramora ny fehezanteny hoe « 1er tour dia vita!» ireo mpomba ny filoham-pirenena, izy ireo izay fantatra tsara fa tia mitsapatsapa sy manao serasera totoafo hanamboarana tsimoramora ny sain’ny olona.

16-mai-2022

Mametra-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao hoe izany ve no mahatonga ireny filazana misesisesy tsy hay hanarina hoe «tsy mbola nisy nahavita asa tahaka izao afa-tsy ity fitondrana ity » isak’izay mihetsika ireny ? Na dia efa fantatra mazava izao aza fa fitohizan’asa nataon’ny teo aloha ireny fotodrafitrasa notokanana maromaro tato ho ato ireny dia mbola mahagaga fa lazain’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny ekipany ho vao izy ireo ihany no sambany mba nijery an’izany. Dia zao Miezaka mampiseho indray izany ankehitriny ny revolisionina volomboasary malagasy tamin’ny fotoan’androny fa mbola tena mahatarika olona maro be. Ny fitsarana avo momba ny lalampanorenena na HCC moa iny hoe nampiantso mpanao politika. Nitsapa ny alalin'ny rano ve izany no tena tanjon’ity farany ? Na inona na inona lazaina anefa dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe vakiana fotsiny fa ny rafitra misy dia efa hitan'ny mpanara-baovao politika hoe hampandresy an-dRajoelina. Raha mbola Ravalomanana sy ny TIM koa moa no eo dia efa mazava indray izany ny lalana sy ny fomba fiady fa ho atao jobily eto amin’ity firenena ity ihany angamba izany atao hoe fifanandrinana Rajoelina-Ravalomanana izany. Ho eto isika ary ahiana mbola hitotongana lavitra mihoatra ny efa iainana ankehitriny ny fari-piainan’ny malagasy. Asa izay kandida hafa aloha. Ny manaraka izay fampisehoan-kery izay moa dia io mametraka vato fehizoro fanombohan'asa sy fitokanana zava-bita etsy sy eroa io. Etsy ankilany anefa dia mampikaikaika ny maro an’isa ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahatampahan’ny herinaratra, ny tsy fahafaha-miasa araka ny tokony ho izy ho an’ireo mbola mba manana asa, ny tsy fananana asa sy ny tsy fihetezan-javatra rehetra kanefa ankehitriny i Rajoelina sy ny ekipany dia io mitady hanao hamboletra « 1er tour dia vita!» io, raha toa ka ny hoe « tsy maintsy ho lany » aho no nalaza tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap