ireo mbola mitabataba sy mivovo ireo, raha nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tao Toliara omaly. Miasa, hoy izy, ny fitondràna ary porofon’izany, vary iray gony no omeny fa tsy iray kilao na iray kapoaka. Ny biby na ny alika raha vantanina no « mivovo», izay midika fa ampilaharin’ny Filoha ankehitriny amin’ny alika ny mpanohitra sy ireo tsy mitovy fijery aminy. Ny Filoham-pirenena no miantoka ny Firaisam-pirenena na « garant de l’unité nationale » araka ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana, saingy miharihary hatrany ny endrika maneho fampisaraham-bazana sy fanenjehana ireo tsy mitovy firehana. Taorian’ny mila fongorina ny mpanohitra, dia io oharina amin’ny biby io indray. Raha ny soatoavina Malagasy, tena betsaka ny fady ampilaharina sy ampitoviana amin’ny « alika » na « kiva », fa asa na mba tsapa sy fantatr’ingahy Filoha na tsia ? Ankoatra izay, ny fanaovana asa sosialy mandalo na isaky ny misy traboina hatrany ve izany no atao hoe asa fampandrosoana ho an’ity fitondràna ity? Fanontaniana mipetraka hatrany moa izany no sady mbola mampametra-panontaniana hoe mba misy mihaino ihany sa tsia? Etsy ankilany dia mitohy ny fandrangitana mpanohitra fitondràna sy ireo izay mitsikera ny tsy fetezan’ny fitantanana rehetra eto amin’ny firenena, raha mihaino ny fandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena isaky ny mikabary imasom-bahoaka. Mifangaro aminy koa, araka izany, ny atao hoe jiro sy ny atao hoe herinaratra, izay tena iankinan’ny fiveloman’ny mponina maro toy ireo mpanety na mpikojakoja endrika amam-bika sy ireo mpivarotra sakafo mila fampiasana vata fampangatsiahana na koa ireo toeram-pikirakirana solosaina sy tekinolojia na «cybercafé». Vitan’ny filoham-pirenena mihitsy izany, hoy ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, Rivo Rakotovao, ny mampitovy ny mpanohitra sy ireo tsy mitovy hevitra aminy amin’ny amboa na alika satria lazainy fa mivovoa.
Nangonin’i J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby