mila hiverenana dinihina ny fitsipi-dalao ara-demokratika, anisany ny lalàmpanorenana, lalàmpifidianana, lalàna momba ny famatsiam-bola ny antoko, lalàna mifehy ny serasera,… Isan’ny mila jerena, ohatra, ny lalàna 60-082 izay mamaritra fa raha hidina an-dalambe hitrongy ny fahefana mpanatanteraka dia hoe : omeo alalana izahay hitrongy anareo eny an-dalam-be, koa raha tsy mpitondra adala izy”, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa omaly, raha nivahiny tao amin’ny Onjam-peo Top Radio FM 102.8. Isan’ireo antoko Mandrafitra ny Rodoben’ny Mpanohitra moa ny TEZA. Ny zava-misy ankehitriny mantsy, efa am-pelantanan’ny fahefana mpanatanteraka ny mpanao fitsirihana sy mpanara-maso ara-panjakana na « inspection générale de l’Etat” ka te hanao izy dia manao, tsy te hanao. Ny ben'ny tanàna rahonana hanaovana « inspection », dia lasa any amin’ny antokony. Amin’ny fifidianana maka volam-panjakana. Tamin’ny fifidianana 2013, nahatratra 43 tapitrisa dolara no laniny tamin-dRajaonarimampianina ka aiza no hahita an’izany raha tsy vola tsy mazava? hoy izy. Azy ny « inspection générale », asainy miandry fifidianana, izy maka volam-panjakana dia lany foana. Ny rafitra mihitsy no tsy mety, ary tsy vao tamin’izao fitondrana izao. Betsaka ny nanao afera toy ny hoe: izy sy ny vadiny nalaza ratsy tamin’ny raharaha écran plat, kanefa mandalo ao amin’ny afo fandiovana antsoina hoe: antenimieram-pirenena ny nanao afera maloto dia madio. Mila ovaina ny rafitra, ny kitapom-bolam-panjakana eo am-pelantanany, ny “inspection générale de l’Etat” eo an-tànan’ny mpanatanteraka, hoy hatrany Atoa Jean Louis Rakotoamboa.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,