Rakotomalala Henry na Riribe? Mazava tsara ny voalazan'ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha 47, hoy izy, fa "Raha misy ny fahafatesan'ny mpilatsaka ho fidiana alohan'ny fiodinana iray amin’ny fandatsaham-batona koa misy toe-javatra hafa tsy azo anoharana voamarin'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ara-dalàna dia ahemotra amin’ny vanin'andro vaovao ny fifidianana, araka ny fepetra sy araky ny fombafomba izay ho faritana amin’ny alalan'ny lalàna fehizoro." Amin’ny teny frantsay izy dia hoe "En cas de décès d'un candidat avant un tour de scrutin,ou s'il survient un autre cas de force majeure dûment constaté par la Haute Cour Constitutionnelle, l'élection est reportée à une nouvelle date dans les conditions et selon les modalités qui seront définies par une loi organique." Raha mbola tsy misy dikany amin’ny HCC indray io fangatahan'ny kandida Andry Raobelina io, izay mbola mitsabo tena any am-pitan-dranomasina vokatry ny herisetra nataon'ny mpitandro ny filaminana azy ka naharatran'ny masony dia vao mainka mibaribary ny fitongilanan'ny HCC sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon'izy ireo. Fotoana koa izao hidirana amin’ny dinika an-databatra boribory amin’izay handaminana ny savorovoro misy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby