hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Mahalala ny tokony hifehezana izany tanànan’Antananarivo izany izy, hoy ity mpandinika ity naneho ny heviny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo, izay niteraka resabe tato ho ato. Mendrika an’Antananarivo ve izao zava-misy eto Antananarivo izao? Ho avy ny fahavaratra, hanao ahoana indray ny fotaka sy ny rano eto Antananarivo? Mila olona mijoro sy mahakarakara azy Antananarivo. Manentana ny rehetra hoe mahaiza mifidy amin’ity indray mitoraka ity fa ity no fanavotana ny firenena ary fanavotana ihany koa an’Antananarivo. Renivohitr’i Madagasikara i Antananarivo. Fototra ijoroan’ny zava-drehetra i Antananarivo. Eto koa no miainga ny fampandrosoana, indrindra, ny toekarena. Raha misy ny tolona dia eto Antananarivo foana no iaingan’ny zava-drehetra. Izany no mahatonga ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany hijery ny renivohitra aloha. Ny renivohitra no fitaratra. Ny resaka hoe anto-bola 20 tapitrisa Ariary ankehitriny no takiana amin’ireo izay te hilatsaka ben’ny tanàna eto Antananarivo, raha toa ka 12 tapitrisa tamin’ny 4 taona lasa, dia heverina fa paikady avokoa izany hikarakarana ilay fifidianana nefa ahitana endrika fanilikilihana ireo tsy manam-bola ihany koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby