airtel

Politique

02-févr-2022

Politique

Ralison Roger « Hiafara amin’ny hetsi-bahoaka izao zava-misy izao »

Sample post image

Nilaza ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana Atoa Ralison Roger , mpahay toekarena ary Loholona teo aloha. Ahiana hanafaingana ny fihetsehan’ny vahoaka ny zava-misy amin’izao fotoana,

02-févr-2022

 hoy izy ; mety hanahirana io sakantsakana amin’ny fanehoan-kevitry ny olona io ka tokony mba ho dinihan’ny fitondram-panjakana tsara ihany.Efa napetraka teto anie ny atao hoe kianjan’ny Demokrasia tamin’ny 2009, saingy aiza moa ilay izy izao, hoy i Ralison Roger ? Nanao antso amin’ny Filoham-pirenena ity mpanao politika izay anisan’ny vavolombelon’ny tantara ary niaina ireo tolom-bahoaka nifandimby teto mba hihataka amin’ireo mpampidi-kizo sy mampiditra azy amin’ny lalan-diso . Niantso ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ihany koa ny Pr Ralison Roger mba tsy hamerina ny hadisoan’ireo fitondrana teo aloha izay nihevi-tena ho matanjaka ka izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena dia gadraina na vizanina amina raharaham-pitsaranna tsy mety vita .Efa lesoka hatramin’izay teto amin’ny firenena ny fanagadrana sy fanenjehana mpanao politika, hoy i Ralison Roger ary efa tany amin’ny Repoblika voalohany sy faharoa ary fahatelo no nisy izany . Tadidio tsara ny tantara fa niafara foana tamin’ny fahasahiranan’ny fitondrana sy ny fionganany io, niaraha-nahita teto izany, hoy izy. Teo ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1971, 1991, 2002 ary 2009 ka tokony ho mailo sy hitandrina ny fitondram-panjakana ary hanitsy ny lalan-diso dieny izao.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap