airtel

Politique

16-mars-2021

Politique

Ramamimampionona Gérard “Krizim-pitokisana no fototry ny olana eto”

Sample post image

“Krizim-pitokisana no manjaka eto, ka miteraka izao disadisa samihafa miseho lany etsy sy eroa izao”,

16-mars-2021

 

 

 hoy Ramamimampionona Gérard. “Isehoan’izany na ireo samy eo amin’ny fitondrana sy ireo mpanohana azy, toy izany ny eo anivon’ny mpanohitra”, hoy ity filoha lefitry ny Conseil du Fampihavanana Malagasy na CFM sady mpandinika fiarahamonina ity. Ny vazaha mody miady, hoy Ramamimampionona Gérard fa isika nanjary mody mihavana noho io tsy fisian’io fifampitokisana io. Manampy trotraka an’izany, hoy izy, ny elanelana eo anivon’ny fiarahamonina ateraky ny fahaizana, fivavahana, fanana-karena, politika ary ny fihaviana na foko. Mifanohitra amin’ny kolontsaina Malagasy mandala ny fihavanana anefa ireo. Isika izay manana ny kolontsaina taterim-bava ihany koa, amin’ny lovantsofina izay midika fa nifampihaino, nifampiresaka dia nifanao tenierana tamin’izay zavatra rehefa natao.”Mbola azo avotana ny zava-misy”; hoy ity mpikambana ao amin’ny CFM ity. Modely entin’izy ireo amin’izany ny fifampitondrana, fifampifehezana amin’ny “Kianja” hita ao amin’ny Kaominina Andriambilany, Distrika Ambatolampy. Milamina ny fiarahamonina, mirindra ny fihariana, tsy olona hadino eny fa na hatramin’ny zaza vao teraka aza. Efa vita rakin-tsary ary ezahin’ny CFM zaraina maimaimpoana amin’ny vondron’olona, vondrombahoakam-paritra, fiangonana … mila izany ity maodelim-piarahamonina ao Andriambilany ity.

 

Jean D.

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap