niparitaka teto amin’ny firenena tato ho ato dia tsy hainay ny hangiana, hoy ny antoko politika RTM na Refondation totale de Madagascar, izany hoe fanorenana ifotony an’i Madagasikara. Matoa ireny nisy, hoy ny filohan’ity antoko ity, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, dia mety tena zava-misy. Sao tokony hanao fanadihadiana lalina, indrindra, amin’ireo manodidina azy ny filohan’ny fanavaozana, hoy ity filohana antoko ity? Raha tena marina ireny dia tena tandindonin-doza izany ny firenena satria anatina kolikoly sy tsy fihetezana maro. «République de la refondation» no anaran’ity fitondràna ity. Somary gaga ny tena hoe nanorina izany antoko Refondation totale de Madagascar izany ny taona 2014 ary namolavola izany hatramin’ny talohan’ny taona 2010, efa tena matotra ara-potokevitra, nefa dia mbola tsy nisy fifampiresahana tamin’ny filohan’ilay «refondation» mikasika izay fotokevitra izay. Raha niantso vahoaka hanampy azy ny CAPSAT ny oktobra 2025 dia teo noho eo ny tena dia nihazakazaka nitondra fanampiana. Niantoka fanamafisam-peo sy sehatra teo amin’ny 13 may izahay ary namatsy vola ny GEN Z sy izay tonga nangataka fanampiana taminay. Betsaka ireo nitolona no sorena satria tsy henoina. Raha tsy nitolona nefa mba olo-marina sy mahavita zavatra tsy maninona fa ilay efa sady tsy nitolona no mbola vao mainka mitondra famotehana ny firenena no manahirana. Betsaka ny heno ety ivelany mikasika ireo mpikamban’ny governemanta teo aloha sy manodidina ny filoha, izay manimba ny endrik’izao fitondràna izao. Fanadihadiana ara-pitsaràna mihitsy no tokony atao amin’ireo olona voatonotonona tanaty ampamoaka ireo fa manjary mitovy amin’ny hatrizay ihany. Nandeha ny tolon’ny taona 1991. Potika ny firenena taty aoriana. Nandeha ny 2002 sy 2009. Toy izany koa. Ny mampalahelo dia mandroaka mpangalatra avy eo mampiditra mpandroba isika hamotika ity firenena ity. Tsy rafitra loatra no olana fa olona. Fotoana fohy no nandraisako ny minisiteran’ny fiompiana fa sahiko ny miteny hoe nandeha tamin’ny fahamarinana. Nahazo vola amina miliara izahay tamin’izany fa nahavita valam-panjakàna na «ferme d’état» ao Iboka, ahitàna trano miisa 8, sy ao Mahajanga, ahitàna toy izany koa, ary ireo ihany no valam-panjakàna eto Madagasikara. Raha hitady olo-marina sy madio ve ianao ahita toy izany? Mila olo-marina sy mahay ny asany ity firenena ity! Sarotra nefa ny mahita izany na hampiasa an’io hoe fitsirihana lainga na «détecteur de mensonge» io aza. Rehefa misy olona mba efa fantatrao, noho izany, hoe iny fa nanao ny fahamarinana dia tokony mba jerena ihany, hoy hatrany ny RTM.
J. Mirija