airtel

Politique

11-oct-2024

RANDRIANOMENJANAHARY William

Mbola vonona hampandroso an’Itaosy

Sample post image

Mbola vonona hampandroso ny Kaominina Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano Randrianomenjanahary William,

11-oct-2024

hatolotry ny Fikambanana Itaosy Uni. Ny traikefany nandritra ny 20 taona mahery noratovony teo anivon’ity kaominina ity tamin’ny maha-mpanolon-tsaina azy sy tamin’ny naha-lefitry ny Ben’ny tanana azy nandritra ny 5 taona farany teo no nanosika azy handray izany andraikitra goavana izany. Zavatra telo raha araka ny fanazavany no nanosika azy hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana sy ny namindran’ny Ben’ny tanana Randrianarisoa Jean Richard ny faneva taminy dia ny fitandroana mandrakariva ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana sy ny mangaraharaha. Ny hahafahana manohy ny asa amin’ny alalan’ny fahazoana ny fahefana ny faharoa raha ny fampandrosoana maharitra an’Itaosy kosa ny fahatelo farany izay tsy kely akory. Notsiahiviny manokana moa fa anisan’ny Kaominina filamatra ny Kaominina Itaosy hatramin’izay. Tafiditra tao anatin’ireo kaominina 6 voafidy tamin’ny resaka fitantanana mangaraharaha izy ireo teto amin’ny Faritra Analamanga izay voaporofo’ny USAID sy ny PNUD ka nanatanterahany ilay tetikasa Rindra. Mbola anisan’ny kaominina 2 mendrika teto Analamanga ihany koa Itaosy tamin’ny resaka fikirakirana ny sora-piankohonana izay voaporofon’ny Prodigi. Marihina fa efa Kandida Ben’ny tanana teny Itaosy Randrianomenjanahary William tamin’ny taona 1996 ary laharana faharoa izy tamin’izany. Mboal laharana faharoa ihany koa ity Kandida ity amin’ny fifidianana hotanterahina amin’ny 11 Desambra ho avy izao. Izy no mpitarika ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny taona 2002 teny Itaosy saingy noho ny tsipaka am-bavafo izay nahazo azy tamin’ny ora farany dia nilatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina izy.
Pati
Legende : Izy no Randrianomenjanahary William, anisan’ireo kandida Ben’ny tanana ao anatin’ny Kaominina Itaosy !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap