airtel

Politique

13-janv-2021

Politique

Ranesa Firiana “Mila paikady ny fitarihana fitakiana”

Sample post image

Manoloana ny fisiana fitokonana maro eto amin’ny firenena ankehitriny dia

13-janv-2021

 

 


nanazava mikasika ny lalana momba izany ny mpahay lalana, Ranesa Firiana. Mitovy amin’ny fitsipika ankapobeny manerana izao tontolo izao, hoy izy, ny lalana sy fitsipika momba ny fitokonana eto Madagasikara. Ny fomba enti-manatanteraka no maha samihafa azy. Matetika afangaron’ny olona ny fitakiana eo amin’ny lafiny asa sy politika. Ny zo hitokona dia zon’ny mpiasa. Raha misy tsy fahafalian’ny mpiasa amin’ny lehibe dia eo amin’ny faritry ny toeram-piasana no tokony anaovana fitokonana. Tsy misy fangatahana alalana atao amin’ny rafi-panjakana misy amin’izay fotoana izay. Raha ny tokony ho izy dia mampahafantatra amin’ny lehibe eo anivon’ilay toeram-piasana mikasika ny fisian’izay fitokonana izay ireo mpitokona. Tsy manohitohina ny zo sy fahalalahan’ny asa hivezivezy fa fitakiana anaty sehatry ny asa. Raha misy fiheritreretana hivoaka ivelan’ilay toeram-piasana dia efa lalana hafa indray no mamaritra azy. Raha miheritreritra ho tsy henoin’ny mpitantana ka miheritreritra ny hanao hetsika an-kalamanjana na anaty lalam-bahoaka kosa dia mila maka alalana amin’ny manam-pahefana tomponandraikitra amin’izany. Heloka sy fandikan-dalana ny tsy fisian’izay alalana hitokona izay raha toa ka mbola mitokona ireo mpanao fitokonana. Eo no ilana ny fahaiza-manaon’ny mpitarika satria tsy maintsy hiafara amina latabatra boribory foana ny fitakiana sy ady rehetra na aiza na aiza. Azon’ilay mpitarika atao koa, noho izany, hoy hatrany izy, ny manao izay fomba hahatongavana amin’izay fifampidinihina an-databatra boribory izay

. J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap