izay mandrara ny hetsika politika rehetra ivelan’ny propagandy, araka ny taratasy nalefa tamin’ireo kandida. Didy izay mandrara ny diabe am-pilaminana tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida miisa 11. Nolazaina fa nisy ny fandeferana na “tolérance adminisitrative” tao anatin’ny 2 herinandro nahafahan’ny Firaisankinan’ny kandida nanao diabe. Ambara fa isan’ny antony lehibe ny zava-nitranga teny Andavamamba ny talata 17 oktobra izay nolazaina fa nahafatesan’olona sy naharatrana maro. Hitrikitrihana ho nodomin’ny ny fiaran’ny kandida Marc Ravalomanana ny vehivavy iray voalaza fa namoy ny ainy. Tsy misy aloha hatreto taratasin’ny mpitsabo manamarina izany, ary raha ny horonantsary niparitaka nanomboka omaly, dia “gros bras” isan’ireo olona nokaramaina handeha hisotasota ihany no heverina fa nanosika azy ka voahitsaka na voahosin’ny namany tao. Fiara tena mavesatra iny Mercedes Class G tsy laitram-bala iny, ka raha voahitsaka na voadonany dia azo antoka fa tena potika tanteraka. Tondroina ho manao bontolo amin’ny mpitandro filaminana, miantso fikomiana sivily, manao fanavakavahana sy fifankahalana amin’ny resa-bolokoditra, manao herisetra, miantsy ireo tsy mitovy hevitra, manohintohina fifamoivoizana sy ny asa fiveloman’ny mponina eto Antananarivo ny diabe am-pilaminana. Tena izany ve ny tranga miseho? Tena izy ireo ve no mihantsy sa ny kandida iray no maniraka ny olony hihetraketraka sy hamboly korontana sy hanimba fananan’olona eny fa tonga hatramin’ny fandrobana sy herisetra? Tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa ny 24 aogositra dia nosakanana tsy hiditra tao amin’ny Yandi By Pass, ny 05 septambra nosakanana raha namory olona tamin’ny faritra mifefy teny amin’ny ISTS Mandrimena, nandefasana Emmo-reg ihany koa raha nikasa hanao famoriam-bahoaka tetsy amin’ny Palais des sports Mahamasina ny 29 septambra, ary io lasa eny an-dalambe io nanomboka ny 02 oktobra. Ny hany tsikaritra dia miharihary hatrany ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny fanomezana tombondahiny ny antokon’ny mpitondra izay miseho amin’ny endrika maro, eny fa eo anatrehan’ireny fihetsika feno fihantsiana sy hetraketraka ireny aza. Nitazam-potsiny ve ny Prefe sy ny mpitandro filaminana raha ny mpiara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida no nanimba fananan’olona, nidaroka, nanendaka, naka an-keriny fananan’olona?
Na eo aza ny didy sy fandrarana mivoaka dia namoaka ny fandaharaham-potoanan’ny diabe anio ny Firaisankinan’ny kandida, ka miainga etsy Bel’Air akaikin’ny Epicerie Nane ny diabe ho an’ny anio manomboka amin’ny 11 ora atoandro, ka nanentanana ny olom-pirenena hanao akanjo fotsy, hitondra sainam-pirenena sy “banderole”, ary narahin’ny fanentanana hoe: “Mitohy hatrany ny tolona! Mijoro hatramin’ny farany”. Nanamafy ny depiote TIM iray, fa tsy maintsy mitohy ny tolona.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby