airtel

Politique

29-avril-2024

RASTANY RANDRIANARISOA

Betsaka ireo maharary ny vahoaka, ilana fanovana eto

Sample post image

Betsaka ireo maharary ny vahoaka ilana fanovana eto amintsika raha araka ny fanazavan’ny kandida ho depiote

29-avril-2024

Randrianarisoa Rastany, natolotry ny Vovonana Firaisankina ao anatin’ny Boriborintany faharoa. Notsindriany manokana tamin’izany ny resaka rano fisotro madio izay avy ao Mandroseza no ivony, nefa tena miteraka olana sy mampijaly vahoaka tokoa ankehitriny. Toraka izany koa ny fampianarana ambony izay mbola ao anatin’ny Boriborintany faharoa ihany koa no misy azy. Diso fantatro loatra ireo zava-misy iainan’ny vahoaka ireo hoy izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany tamin’ny Sabotsy teo teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo ka ilana fanovana avokoa. Nilaza ihany koa ireo mpiray lisitra aminy toa an’Atoa Williamson fa zanaky ny Boriborintany faharoa ny tenany, mahafantatra tsara ny olana sedrain’ny mponina eny amin’iny faritra iny. Vovona ny hanao poa-droa araka izany izy ireo ary hiady ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, hitondra ny fitarainana sy ny feo eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nambaran’izy ireo fa hoataony maodely sy filamatra ny Boriborintany faharoa, izay ahitana ny foko sy ny kolontsaina marolafy mifanjohy. Tafatsangana ny Sabotsy teo ny Komity mpanohana azy ireo ao anatin’ity Boriborintany iray ity. Narahin’ny fitsofan-drano nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana azy ireo izany izay nanamafy fa mivilana ny fitondrana misy eto Madagasikara. Taom-pifidianana ity taona 2024 ity hoy izy koa antenaina fa hitondra fanovana sy taham-panantenana ho an’ny vahoaka Malagasy izany. Niantso ireo feno 18 taona rehetra mba handatsa-bato ihany koa ny tenany nandritra izany.
Pati
Legende : Ireo kandida solombavambahoaka avy amin’ny Firaisankina ao anatin’ny Boriborintany faharoa !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap