airtel

Politique

27-mars-2024

Ratolojanahary Maharavo na Doudou

«Terena hanao tsy ara-dalàna foana ilay HCC»

Sample post image

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

27-mars-2024

hoy ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN, Ratolojanahary Maharavo na Doudou, izay milaza fa mangataka fitsipaham-pitokisana ny filohan’ny antenimieram-pirenena na «déchéance». Misy, hoy izy, fotokevitra ankapoben’ny lalàna na «principe généraux de droit» maromaro mifehy ity tany sy fanjakana ity. Misy ny fisaraham-pahefana anaty firenena iray dia ny fahefana mpanatanteraka sy fahefana mpanao lalàna ary fahefam-pitsaràna. Misy fifandanjana amin’ireo na «équilibre de pouvoir». Ny tena mifehy ny fahefana mpanao lalàna voalohany dia ny atao hoe «fahalalahana maneho hevitra». Nomena fiarovana na «immunité» mihitsy aza ny depiote hiarovana an’io. Nisitraka izany no nataon’ny PAN ny sabotsy teo saingy ny zava-nisy ny alatsinainy kosa dia toy ny manosihosy izany fahalalahana izany. Misy ilay lazain-drizareo hoe fitsipika mifehy ny antoko. Io izany no hanakanana ny fampiharana ny lalàmpanorenana ary izay no mahavoa ity firenentsika ity. Lazaina fa tsy maintsy ho tanterahana io na eo aza ny lalàmpanorenana. Io no nandravana ny fitsipaham-pitokisana na «motion de censure» natao tamin’ny herintaona. Io no nentina nanonganana ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Tsy mihatra araka ny tokony ho izy intsony ity lalàmpanorenana eto amintsika ity satria maro an’isa dia dikaina ny lalàmpanorenana. Miresaka ry zareo fa ao anatin’ny andininy faha 72 amin’ny lalàmpanorenana rehefa misy ny fanaratsiana, fanevatevana, fanalàna baraka ny antoko niaingana dia azo angatahana ny fitsipahana na «déchéance» olona iray. Ny 10 novambra 2023, nandefa taratasy ofisialy ny governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, manala an-dramatoa Razanamahasoa Christine tsy ho mpikambana TGV intsony. 11 novambra 2023 ny depiote Naivo Raholdina nampiantso mpanao gazety nandroaka an-dramatoa Razanamahasoa Christine. Olobe eo anivon’ny antenimieram-pirenena no natao izany. Androany ny filohan’ny antenimieram-pirenena rehefa nilaza hoe tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto dia lazaina fa tokony roahina fa manala baraka. Vorona an-tanan’olona ratsy rehefa maneno, hoy ny hiranay betsileo. Rehefa an-tananao dia tsara ilay olona fa rehefa an-tanan’olon-kafa dia ratsy. Inona marina no tena tian’ity IRD ity hiaviana? Io andininy faha 72 io koa milaza fa mila mametra-pialàna ny olona vao azo takiana izany «déchéance» izany ary mila miditra amina firehana hafa. Nametra-pialàna ve ny PAN? Na IRD na Mapar na UPAR dia fivondronana antoko politika. Didim-panjakana 2013-057 no mifehy an’io. Fivondronana mana-petra na «coalition ponctuel» hiatrehana fifidianana io, hoy ny andininy faha 8. Tsy tokony hisy intsony izany ilay IRD, raha jerena ny lalàna, satria noforonina niatrehana fifidianana depiote tamin’izany. Marobe no niala tao ka tsy tokony efa ho marobe ve ny depiote voaroaka, raha io fitsipiky ny antoko io? Isany ry depiote Raholdina? 105 no isan’ny depiote nanao fitsipaham-pitokisana. IRD koa tsy antoko. Filohan’ny depiote iraimanontolo ramatoa Razanamahasoa Christine fa tsy filohan’ny IRD. Tsy mahavoafehy ny PAN ny fitsipiky ny IRD izany. Maninona ireo olona ireo no manao amboletra amin’io hoe sata mifehy ny antoko io. Mampiomehy na «ridicule» ilay fampiantsoana mpanao gazety nataon’ireo. Terena hanao tsy ara-dalàna foana ilay HCC. Taona maro lasa izay tany Cote d’Ivoire. Raha nisy fifidianana tany tamin’ny andron’ny filoha Gbagbo ka namoaka didy ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana tany dia niteraka adim-poko. Nigadra 10 taona ny filoha Gbagbo sy ny tariny. 10 taona aty aoriana, avelao any, hoy ny CPI na tribonaly iraisampirenena. Te hiteny aho hoe aza dia mba faly mandrisika ny namana hidi-kizo, hoy hatrany ny tenany?

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap