tamin’ny 3 may 2018 fa tsy azo atao ny mampiasa fitaovam-panjakana hanaovana propagandy nefa dia voalaza fa angidimby an’ny tafika no nentin’ny filoham-pirenena malagasy tany Ambatofinandrahana, hoy ny solontenan’ireo mpanohana ny kandida solombavambahoaka tao an-toerana, Christine Razanamahasoa, omaly. Narahana kamiaoben’ny miaramila, kamiaon’ny zandary, 4x4 an’ny mpikamban’ny governemanta, ireny no nandeha tany, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo. Hitam-poko, hitam-pirenena, hitan’ny haino aman-jery rehetra izany, hoy izy. Ny andininy faha 220 moa milaza fa ny fampiasana ireo fananam-panjakana ireo dia mitondra any amin’ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida voakasika. Nilaza moa ny filoham-pirenena fa tsy nandika lalàna ary tsy voakasik’ireo lalàna ireo fa izy, hono, filohan’ny repoblika. Mametraka ny atao hoe «exécutif bicéphale» ny lalàmpanorenantsika. Tsy ny praiminisitra irery no lehiben’ny mpanatanteraka na «exécutif» fa mbola amboniny aza ny filoham-pirenena. Izy no atao hoe «Chef de l’exécutif» na lehiben’ny mpanatanteraka. Am-pelantanany ny fahefam-panjakana rehetra. Avy amin’izay no hanomezany fahefana ireo olom-panjakana tendreny amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny atao «prérogative de puissance publique dérivé», izany hoe fahafaha-misolotena azy. Ny tena tsy eken’ny lalàna velona dia ny fampiasana izany mandritry ny propagandy. Nanao propagandy ireo ary nampanandrifiana tamin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra ilay nambara fa fitetezam-paritry ny filoham-pirenena. Natao tapitra tamin’ny 27 may mihitsy. Niaraka taminy ny mpikamban’ny governemanta maromaro toy ny minisitry ny fitsarana, minisitry ny fanajariana ny tany, minisitry ny fambolena sy fiompiana, minisitry ny fiarovana, lehiben’ny distrika, governoran’ny faritra, mpiasam-panjakana ambony maromaro. Mangataka ny handravana ny vato azon’ny kandida IRMAR tao Ambatofinandrahana izahay noho izany fandikan-dalàna be dia be izany. Ho hitantsika eo moa ny vokany fa nitory aloha izahay. Raha hilaza indray ny HCC fa azo raisina fa tsy mitombona ireo dia milaza ny andininy faha 60 fa natao ho tsarain’ny HCC ireny fandikan-dalàn’ny filoham-pirenena ireny, hoy hatrany i Ratolojanahary Maharavo.
J. Mirija
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny